Tokinao

CSS @ teny gasy II
2008/09/15,22:00

Noho ny fanontanian'i Kdaombaramita (tatsy) momba ny fanovàna ny templetany ao amin'ny blaoginy (izay tsy mitovy *.css amin'ny ahy sy ry news2dago), dia ireto indray no tokony hataony :

1-Jereo ny fisie *.css ampiasain'ilay blaogy. Izany hoe : Midira ao @ "pejy fototr'(page source) ilay blaoginao. Karokarohy etsy amin'ny "barre des menus" Arakaraky ny navigateranao (internet explorer, mozilla, opera, na netscape sns...) ny misy azy io. Raha Mozilla Firefox moa no ampiasainao dia toy ity ny toerana misy azy io :

Rehefa misokatra izany dia karohy ilay fisie ampiasain'ny blaoginao. tsindrio ny Ctrl+F, ary soraty ny hoe .css  dia alefaso ny fikarohana. Ho hitanao ao moa ilay fisie .css ampiasain'ny blaoginao, ary koa ny toerana misy izany eto amin'ny aterineto. Raha ny blaogin'i Kdaombaramita no anaovana an'ireo dia hita fa ny "http://kdaombaramita.blaogy.com/templates/connections/style.css" no ampiasain'ny blaoginy :

2- Ataovy dika-petaka io adiresy io (http://kdaombaramita.blaogy.com/templates/connections/style.css) ary sokafy ao amin'ny navigateranao : toy ity.

3-  Karohy izay zavatra (objet) tianao hovainao ao. Marihina fa ny "zavatra" iray dia manomboka amin'ny songasasaka (sharp, dièse, #), arahin'ny anaran'ilay zavatra, ary ireo toetoetrany rehetra voafono anaty fonosam-be (accolade). Ohatra ireto :

 4-Ataovy ny fanovàna ny toetoetran'ny zavatra (proprietés de l'objet) izay tianao hovaina : raha tian'i Kdaombaramita hovaina ohatra 'zao ilay sary "ria-drano" ao amin'ny blaoginy dia mila soloiny ho adiresina sary hafa ilay "img/top.jpg" etsy ambony. Izany sary izany moa dia tokony hirefy 760px x 183px mba hampipoitra azy. Raha ity sary ity* 'zao no tiana hasolo izany dia ity ny kaody ampidirina ao amin'ny toerana "fanovàna css" -n'ny blaogy : 

#header {
background:#fff url
(http://blogsimages.skynet.be/images_v2/000/012/764/20060504/dyn006_original_760_183_gif_12764_800d786f0ac5399dc95359aa87b45b51.gif
) no-repeat bottom;
height: 183px;
margin: 0 auto;
width:760px;
padding:0;
border:#fc9 0px solid;
}

 Dia toy izany hatrany. Marihina fa tsy ny sary ihany no toetoetra afaka ovaina fa ny halehibe (dimensions), ny toerany (position), ny loko fanambaniny raha misy, ny toetoetran'ny soratra, raha misy soratra ao, ets.

 Dia izay ;). Tsy mora ny manazava an'ilay izy moa ny tenanay koa tsy dia hoe mahay be, ka dia mety tsy hazava. Ity resako ity moa dia natao hoa an'ny olona tena mbola tsy mahay mihitsy a :). Aza iomehezana raha efa tsisy dikany aminao Smile. Tsy natao ho an'ny oebmestra akory hihihi

*:sary notsiponiko teto amin'ny aterineto io fa tsy ahy a Cool. Hitako ho mirefy 760px - 183px dia notsiponiko hihihi.

CSS amin'ny teny gasy
2008/09/07,20:44

Vitsy amin'ny fanazavana informatika (vulgarisation) no amin'ny teny gasy. Noho izany dia ity mba apetrako eto ny css ampiasaiko amin'ity blaogiko ity, ary ataoko amin'ny teny gasy ny fanazavana tsotsotra.
Voalohany, ny CSS (Cascading Style Sheets, feuilles de style en cascade) dia teknika iray ahafahana manatsara endrika ny tranonkala iray, na blaogy iray. Isan'ny fomba fanoratra tsotra indrindra izy io raha oharina amin'ny html, javascript, sy ny sisa.
Ny tombotsoany lehibe dia ity : atao indray manoratra ny kaody css iray, ary dia mihatra amin'ny vohikala manontolo. Ohatra :  Raha html 'zao no nampiasaina mba hampiseho an'ilay sariko etsy ambony sy ilay sary voninkazo dia mila manoratra kaody html isaky ny pejy aho. Soa ihany fa azo ampiasaina eto amin'ny blaogy.com ny css ka dia ahafahako manoratra kaody css iray monja : 
 #Title {
        background:url(http://tokinao.blaogy.com/gallery/78/Toki.JPG)
        #fff no-repeat;
        width : 770px;
        height : 138px;
}

Ary dia mipoitra foana izy io isaky ny manokatra pejy ato amin'ny http://tokinao.blaogy.com (http://tokinao.blaogy.com/album/78/0, http://tokinao.blaogy.com/static/78/archives, sns.)  ianao.
 Izay no ela fa ireto nyampiasaiko :

Ny kaody

Fanazavana

#Title {
       background:url(http://tokinao.blaogy.com/gallery/78/Toki.JPG)
       #fff no-repeat;
       width : 770px;
       height : 138px;
}

Mampipoitra ilay sariko
etsy ambony, sy ilay sary ravina.

#Topmenu {
       background :  #fff        url(http://tokinao.blaogy.com/gallery/78/nao.JPG)
       no-repeat;
       width : 565px;
       height : 110px;
       text-align : center;
       color : #895929;
       font-weight : bold;
}

 Mampipoitra ilay tapany ambany amin'ny sariko

#topic {
       width : 493px;
       height : 37px;
       background : #fff 
      url(http://img183.imageshack.us/img183
       /2307/bgtitlhc1.jpg) no-repeat;
       float : left;
       margin-left : 10px;
}

 background : Mampipoitra ilay sary maitso fanambanin'ny lohatenina lahatsoratra

body {
       color:black;
       background-color:white;
       background-image:url(http://tokinao.blaogy.com/get/78/mkar%20BgFAAFFAANA.JPG);
       margin:20;
       cursor : url(http://tokinao.blaogy.com/gallery/78/soavaly.ani);

scrollbar-3dlight-color:yellow;
       scrollbar-arrow-color:black;
       scrollbar-base-color:#CBFFCB;
       scrollbar-darkshadow-color:pink;
       scrollbar-face-color:#FF9595;
       scrollbar-highlight-color:lime;
       scrollbar-shadow-color:white;
       scrollbar-track-color:#DDFFE8;
}

 background-image : Raha fafaina ilay hoe "FAFANA" dia hisy sary hipoitra ho fanambanin'ny blaogiko (image de fond). Mbola tsy nahita sary anefa aho ka avelako ho diso aloha ilay kaody mba tsy hipotràny.
 cursor : io fomba fanovana ny kirsora
scrollbar : io no fomba fanovana ny lokon'ny fametrahan-kafatra
 
 

#Content {
       width : 600px;
       float : left;
       text-align : left;
       background : #fff        url(http://img250.imageshack.us/img250/2629/linevyq9.gif) right top repeat-y;
       color : #333;
}

background : io no fomba fanovana ilay sary mijadona ahitantsika ny sarin'i Mkara, sary gidro, ravinala, vorona. Ilay  "repeat-y" no mahatonga azy hiverimberina amin'ny fangitra faharoa (y-axis, axe desordonnées)

#calendar_title {visibility: hidden;}
#Title h1 {visibility: hidden;}
#syndicate_title { visibility : hidden; }
#Title h2 { visibility: hidden; }
#Topmenu h1 {visibility : hidden; }
#Recently {visibility: hidden;}
#recently_title {visibility: hidden;}
#links_title{visibility : hidden;}
#Links {visibility : hidden;}
#search_title {visibility: hidden;}
#Search {visibility: hidden;}
#archives_title {visibility: hidden;}
#Nextpost {visibility: hidden;}

 Ireto kosa no fomba fanovana, na fomba atao mba tsy hampipoitra ireo zavatra hafa maro ao amin'ny blaogy.
 hidden : tsy tiako hipoitra izy ireto satria : 

  • na teny vahiny,
  • na tsy ilaiko,
  • na teny diso (tsy tiako loatra no marina kokoa)

Ok! Raha nifidy ny endrika maitsokely (spring) ianao eto amin'ny blaogy.com dia mba andramo ampidirina ao amin'ny toeran'ny css ao amin'ny blaoginao ange reo e :). [izay blaogy nifidy ny endrika maitsokely ihany a! Mety tsy hety mantsy ny blaogy sasany raha tsy misy ovaina kely ireo kaody etsy ambony iretsy]. Ry news2dago zao afaka manandrana tsara hihihi

Hiram-pirenena gasy sy frantsay
2008/07/26,10:47

 

Nisy resaka naroson'olona izay tatsy @ dinika serasera, milaza fa : "Ry Tanindrazanay malala" hono dia natao akaiky kokoa ny hiram-pirenena frantsay "La Marseillaise"ary nahatsiaro tena "voatsindrona kely" mihitsy hono ny fony tamin'izany.

Tsy dia mitovy hevitra amin'izany loatra aho ka novaliako io lohahevitra io, ary nataoko dika-petaka ato ny valiny narosoko. Ny ekeko dieny ety am-piandohàna dia ny hoe "samy vokatry ny tantaram-pirenena, ary taratry ny vanim-potoana namoronana azy hatrany ny hiram-pirenena iray".

'Ndao ange ampitahaina ireo hiram-pirenena roa ireo e :

hiram-pirenena Malagasy : RY TANINDRAZANAY MALALA O!

I-
Ry Tanindrazanay
malala ô
Ry Madagasikara soa.
Ny
fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.


Fiverenana :
Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He sambatra tokoa izahay.

II-
Ry Tanindrazanay
malala ô
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay
'zay sarobidy sy mendrika tokoa.
--->Fiverenana

III-
Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba
hitahiana anao,
Ka Ilay
Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan'ny satanao.
--->Fiverenana

Fanadihadiana fohy:

    Ny teny hoe "malala", "fitiavana" amiko dia mitory fifikiram-po.Itarafana io fa olon'ny fo ny malagasy.
    Ny hoe "doria", kosa dia milaza fanantenana alavitra be, izany hoe finoana. 
"Tahionao ry Zanahary" : milaza mivantana fa olon'ny finoana ny malagasy. Amin'ny- lafiny iray hafa koa dia mitory "tsy fahafaha-manotra" koa izy io, na koa fiantorahana amin'ny hery iray tsy takatry ny saina. "Bibilava hazan'olona hoy ny ntaolo, tsy tànana hamely, tsy tongotra hitsipaka fa Andriamanitra no andrasana".
 

Raha ireo no jerana dia :

Tsy hita taratra ao mihitsy izany hoe "herisetra izany", eny fa na dia ny "valifaty aza". Ary ny Ny Malagasy dia miandrandra fanavotana avy any amin'Andriamanitra (asa raha mbola voamarikareo izy eo @ fiainantsika ankehitriny) fa tsy amin'ny alalan'ny ady. Ny mifanohitra amin'izany ady aza no zava-tra andrasantsika : diany fitalahoana hatrany amin'ireo vazaha, ny fiandrandràna fahagagana avy amin'ireo mpitondra (hitantsika taratra ity rehefa fotoanan'ny fampielezan-kevitra). Marihiko fa fandinihina faobe ity ka tsy marina amin'ny malagasy rehetra Wink.

xxxxxxxxxxxxxxx--------------------------------xxxxxxxxxxxxxxx

hiram-pirenena frantsay : LA MARSEILLAISE

1er couplet :


Allons enfants de la Patrie,
Le jour de gloire est arrivé !

Contre nous de la tyrannie = ho toherintsika ny didin'ny be sandry sy ny fanjakazakàna
L'étendard sanglant est levé, (bis) = atsangana izao ny saina voahoso-drà.
                                                                                            Izany hoe : mahazo mandatsa-drà daholo isika.

Entendez-vous dans les campagnes = miparitaha ianareo any ambanivoitra
Mugir ces féroces soldats ? = ataovy izay hampikonaina ireo miaramila fahavalo
Ils viennent jusque dans vos bras = izay tsy misalasala manatona antsika
Égorger vos fils, vos compagnes ! = ary manapaka ny tendan'ny zanakareo  sy vadinereo.

------->Refrain :

Aux armes, citoyens = raiso ny basy ry olom-pirenena
Formez vos bataillons
= mamorona antoko mpiady
Marchons, marchons ! = andao andao
Qu'un sang impur = Mba ho rà maloto
Abreuve nos sillons !
= no hamelombelona sy hameno ny sahantsika.

            Ajanoko eo @'io andininy voalohany io ny fandikàna sy fanazavana. Hita ao fa mifanohitra be amin'ny "Tanindrazanay malala ô" ny votoatiny :
               Hita taratra ao ny finiavan'ny frantsay "hamaly faty" ireo fahavalony (izay ny anglisy tamin'izany vaninandro izany). Ireo teny maro, toy ny "rà" (sanglant), basy na fitaovam-piadiana" (armes), kosa dia mitory fa "ny ady" na koa "famonoan'olona" dia vahaolana andrandrain'ny frantsay mba hanavotany ny Tanindrazany. Fa tsy ny fiandrandrana an'Andriamanitra toa ny antsika

            Maro ireo teny maherihery na/sy mitory herisetra ao amin'ny andiny sasany, ka diniho ange e! Nataoko sora-matevina izy ireo.


Couplet 2 :
Que veut cette horde d'esclaves, : izany hoe andevony hono ireo mpanafika
De traîtres, de rois conjurés ? : sady mpamadika
Pour qui ces ignobles entraves,
Ces fers dès longtemps préparés ? (bis)
Français, pour nous, ah ! quel outrage : ry frantsay, fahafaham-baraka sy tsy azo leferintsika izany
Quels transports il doit exciter !
C'est nous qu'on ose méditer
De rendre à l'antique esclavage !


------->Refrain.

Couplet 3 :
Quoi ! des cohortes étrangères
Feraient la loi dans nos foyers !
Quoi !
ces phalanges mercenaires
Terrasseraient nos fiers guerriers ! (bis)
Grand Dieu ! par des mains enchaînées
Nos fronts sous le joug se ploieraient
De vils despotes deviendraient
Les maîtres de nos destinées !

------->Refrain.

Couplet 4 :

Tremblez, tyrans et vous perfides
L'opprobre de tous les partis,
Tremblez ! vos projets parricides
Vont enfin recevoir leurs prix ! (bis)
Tout est soldat pour vous combattre,
S'ils tombent, nos jeunes héros,
La terre en produit de nouveaux,
Contre vous tout prets à se battre !

------->Refrain.

Couplet 5 :

Français, en
guerriers magnanimes,
Portez ou retenez vos coups !
Epargnez ces tristes victimes,
A regret s'armant contre nous. (bis)
Mais ces despotes sanguinaires,
Mais ces complices de Bouillé,
Tous ces tigres qui, sans pitié,
Déchirent le sein de leur mère !
------->Refrain.

Couplet 6 :
Amour sacré de la Patrie,
Conduis, soutiens nos bras vengeurs
Liberté, Liberté chérie,
Combats avec tes défenseurs ! (bis)
Sous nos drapeaux que la victoire
Accoure à tes mâles accents,
Que tes ennemis expirants
Voient ton triomphe et notre gloire !
------->Refrain.


Couplet 7 (dit couplet des enfants) :
Nous entrerons dans la carrière
Quand nos aînés n'y seront plus,
Nous y trouverons leur poussière
Et la trace de leurs vertus (bis)
Bien moins jaloux de leur survivre
Que de partager leur cercueil,
Nous aurons le sublime orgueil
De les venger ou de les suivre
------->Refrain :

Dia izay . Fanadihadiana ihany ny ahy ... ka inona no hanampianareo azy ? 

Lalao : "aza ampijaliana ny tenintsika"
2008/03/29,23:15

 

Ho fandraisana anjara amin'ilay lalao "aza ampijaliana ny tenintsika" izay fariparitan'i lapino, dia hosoratako eto ambany eto ireo fahadisoana mateti-pitranga rehefa manoratra. Marihiko fa ny teny ofisialy lazaiko eto dia marina tamin'i Tokinao nianatra malagasy farany (taona 1998). (mety ho resadresahiko eto ihany ny antony anamarihako an'io daty io, na dia efa natsipitsipiko tatsy amin'ny blaogin'i Pissoa aza). Izay no ela fa ireto avy izany :

1°- (napetraka androany zoma faha-28 martsa 2008):

*toy ny fa tsy toin'ny no fanoratra ofisialy.
*tahaka ny fa tsy tahakan'ny no fanoratra ofisialy.
*sahala ny
fa tsy sahalan'ny no fanoratra ofisialy.
*ohatra ny fa tsy ohatran'ny no fanoratra ofisialy.
--> Raha fintinina dia tsy azo tovanana ireo teny ireo, ary tsy  azo ovaina ho -y ny -a faran-teny.

2°- (napetraka androany asabotsy faha-29 martsa 2008):

*"sns." na koa "sy ny sisa" na koa "..." no ofisialy fa tsy "sns..." na koa "sy ny sisa..."("pléonasme" moa iantsoan'ny vazaha an'io fahadisoana io).
*Manao ahoana fa tsy manaôna, na koa manaona, sns.

- Aza ampifamadihana koa ireto : manatona sy manantona.

*manatona = Approach (uk) = s'approcher (fç). ohatra : manatòna aty fa horohiko ise, manatona dokotera i Bema fa marary, sns. Ny fototeny moa dia "hatona", ary milatsaka ny "h" rehefa asiana tovona [préfixe].
*manantona = to hang (uk) = suspendre (fç). ohatra : ahantòny ny akanjonao fa mafana ny andro, Nahanton-doha ilay mpangalatra rehefa tratra. Ny foto-teny dia "hantona", ary milatsakany "h" rehefa misy tovona.

- Fomba ahafantarana raha tokony hisy "h" na tsia ny fototenin'ny teny iray : karohy ny teny rehetra avy aminy (ataovy miverindroa, asio tovona [préfixe], sns.) na koa asio teny iray eo alohany mba hifampitohy aminy,  ka raha misy "k" mipoitra ao dia misy "h" izany ilay fototeny.

ohatra :

*aingo sa haingo ? valiny : haingo no fanoratra satria fiteny ny hoe : "haingonkaingon-javatra"
*aina
sa haina ? valiny : aina no fanoratra satria tsy fiteny ny hoe :  fanomezan-kaina. fanomezan'aina no fiteny.
*ena sa hena ? valiny : hena no fanoratra satria toto-kena no fiteny fa tsy toton'ena. Mitadiava teny maro sao voafitaky ny hoe mopivarotr'ena izay diso Smile. Mpivarotra hena no marina

Miala tsiny amin'i Hery fa  efa voasoratro ity vao hitako ny azy izay mitovitovy amin'ny ahy Smile. Tsy sahala anefa ny resakay fa mifameno.

([Lisitra mbola hiampy. Lainga lainga fa tsy mora ny teny malagasy :-) ].

Te hahita vazah manambola ve ?
2008/03/27,22:08

 

 Mahagaga tokoa, asa raha tsikaritrareo fa dia betsaka ireo vehivavy mora voasinton'ny vazaha! Misy amin'izy ireny ny tena avy amin'ny fitiavana madio, fa tsy io tranga io no horesahiko eto.

Misy ankizivavy roa izay any Mkara any, ary mazoto manoratra aty amiko 'zareo. Ny tena antony hanoratany moa dia ny hoe : mba hitadiavako vady hono Embarassed. Ka dia nalefa ny sary, matetika koa dia lavalava ny taratasy satria nofariparitany tsara ilay olona tadiaviny, izay ahitàna ny hoe : "vazaha tsy dia reraka loatra fa mba manam-bola".

Dia tena vaka mihitsy aho isaky ny mahazo taratasy satria sarotra ho ahy ny hitady an'izany, ary tsy sahiko ny hampifandray azy amin'olona sao hiteraka fijaliana ho azy, ary izaho indray no homeny tsiny any aoriana. Manaraka izany dia talanjona aho,... dia ny resa-bola ve no hifantenana izay ho andefomandry e, sa koa ny lokon-koditra...sa ilay hoe hankaty an-dafy no tena lasa nofinofy tian-ko tanterahina ... asa loatra re.

Tena izany tokoa no amin'ilay lazain'ny hainteny hoe : "ny an-karo-misarona toa ho inona ihany". Ataon-draFahantrana mikaikaika ny malagasy, ka dia mitady izay fomba rehetra ialàna amin'izany. Koa dia heveriny ho tsara daholo izay fomba rehetra ahafahana miala amin'izany fahantrana izany, na koa izay fomba rehetra hanadinoana izay fahadisoam-panantenana mety ho nahazo azy fahiny.

Koa eto dia aleo mba hampatsiahiviko antsika zazavavy malagasy ny zava-dratsy mety hahazo anareo raha "miroboka tsy am-pieritreretana" ao anatin'izany fitiavana vazaha izany isika. Ny tsy fitovizam-pomba fijery eo amin'ny kolo-tsaina malagasy sy tandrefana (occidental) no tena hasiako resaka.

Aty an-dafy dia samy maka ho azy ny olona (individualiste), koa ho anao maniry hanambady vazaha sy te hanaraka azy aty an-dafy dia adinoy ny fomba fiainana arahina vangivangy sy serasera isan-takariva mampalaza antsika malagasy (marihiko moa fa i Tokinao rehefa miteny hoe malagasy dia ny tantsaha izay no tiany teneniny voalohany, ireo no maro an'isa tsinona ). manaraka izany dia tsy mitovy ny fomba fijery ny fanambadiana. Somary ho lalao ihany no handraisain'ny vazaha azy (fisaikaizàna na fi-sipàna) raha mbola tanora. Fa rehefa manomboka mahatratra ny faha-28 sy faha-30 taona any vao tena vonona hanorin-tokantrano ny ankamaroan'ny vazaha! jereo ato ny statistika.

Ka ny teniko dia ny hoe "diniho tsara ihany fa sao hanenenana". Lazaiko ary tsindrìko eto am-pamaranana koa anefa fa misy fanambadiana vazaha-gasy tena mahomby, sy miaina amim-pitiavana hatrany. Deraiko manokana ireny satria mahay mifampizatra sy mifandefitra tokoa na dia eo aza ny fomba fitaiza tsy nitovizana! Lehibe tokoa ny fitiavana ka mahavita zavatra maro Smile.

*Ny iray amin'ireo ankizivavy roa lazaiko etsy ambony moa, rehefa tsy nahìtako izay notadiaviny, dia mifankatia amina vazaha iray izy izao, ka irìko mba hahasambatra azy hatramin'ny farany izany.  Ilay tovovavy moa dia havana ihany fa noho ny fanajàko ny fiainany manokana dia tsy lazaiko eto ny rohy misy aminay.

Farany dia misaotra an'i Helisoa nanome aingam-panahy,  hevitra no marimarina kokoa Smile, tatsy. Mba tsidiho koa ange ny tranonkalany fa mahafinaritra e : http://rahelys.unblog.fr

1 2 3 4  Manaraka»
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype