Tokinao

Lalao : "aza ampijaliana ny tenintsika"
2008/03/29,23:15

 

Ho fandraisana anjara amin'ilay lalao "aza ampijaliana ny tenintsika" izay fariparitan'i lapino, dia hosoratako eto ambany eto ireo fahadisoana mateti-pitranga rehefa manoratra. Marihiko fa ny teny ofisialy lazaiko eto dia marina tamin'i Tokinao nianatra malagasy farany (taona 1998). (mety ho resadresahiko eto ihany ny antony anamarihako an'io daty io, na dia efa natsipitsipiko tatsy amin'ny blaogin'i Pissoa aza). Izay no ela fa ireto avy izany :

1°- (napetraka androany zoma faha-28 martsa 2008):

*toy ny fa tsy toin'ny no fanoratra ofisialy.
*tahaka ny fa tsy tahakan'ny no fanoratra ofisialy.
*sahala ny
fa tsy sahalan'ny no fanoratra ofisialy.
*ohatra ny fa tsy ohatran'ny no fanoratra ofisialy.
--> Raha fintinina dia tsy azo tovanana ireo teny ireo, ary tsy  azo ovaina ho -y ny -a faran-teny.

2°- (napetraka androany asabotsy faha-29 martsa 2008):

*"sns." na koa "sy ny sisa" na koa "..." no ofisialy fa tsy "sns..." na koa "sy ny sisa..."("pléonasme" moa iantsoan'ny vazaha an'io fahadisoana io).
*Manao ahoana fa tsy manaôna, na koa manaona, sns.

- Aza ampifamadihana koa ireto : manatona sy manantona.

*manatona = Approach (uk) = s'approcher (fç). ohatra : manatòna aty fa horohiko ise, manatona dokotera i Bema fa marary, sns. Ny fototeny moa dia "hatona", ary milatsaka ny "h" rehefa asiana tovona [préfixe].
*manantona = to hang (uk) = suspendre (fç). ohatra : ahantòny ny akanjonao fa mafana ny andro, Nahanton-doha ilay mpangalatra rehefa tratra. Ny foto-teny dia "hantona", ary milatsakany "h" rehefa misy tovona.

- Fomba ahafantarana raha tokony hisy "h" na tsia ny fototenin'ny teny iray : karohy ny teny rehetra avy aminy (ataovy miverindroa, asio tovona [préfixe], sns.) na koa asio teny iray eo alohany mba hifampitohy aminy,  ka raha misy "k" mipoitra ao dia misy "h" izany ilay fototeny.

ohatra :

*aingo sa haingo ? valiny : haingo no fanoratra satria fiteny ny hoe : "haingonkaingon-javatra"
*aina
sa haina ? valiny : aina no fanoratra satria tsy fiteny ny hoe :  fanomezan-kaina. fanomezan'aina no fiteny.
*ena sa hena ? valiny : hena no fanoratra satria toto-kena no fiteny fa tsy toton'ena. Mitadiava teny maro sao voafitaky ny hoe mopivarotr'ena izay diso Smile. Mpivarotra hena no marina

Miala tsiny amin'i Hery fa  efa voasoratro ity vao hitako ny azy izay mitovitovy amin'ny ahy Smile. Tsy sahala anefa ny resakay fa mifameno.

([Lisitra mbola hiampy. Lainga lainga fa tsy mora ny teny malagasy :-) ].

Te hahita vazah manambola ve ?
2008/03/27,22:08

 

 Mahagaga tokoa, asa raha tsikaritrareo fa dia betsaka ireo vehivavy mora voasinton'ny vazaha! Misy amin'izy ireny ny tena avy amin'ny fitiavana madio, fa tsy io tranga io no horesahiko eto.

Misy ankizivavy roa izay any Mkara any, ary mazoto manoratra aty amiko 'zareo. Ny tena antony hanoratany moa dia ny hoe : mba hitadiavako vady hono Embarassed. Ka dia nalefa ny sary, matetika koa dia lavalava ny taratasy satria nofariparitany tsara ilay olona tadiaviny, izay ahitàna ny hoe : "vazaha tsy dia reraka loatra fa mba manam-bola".

Dia tena vaka mihitsy aho isaky ny mahazo taratasy satria sarotra ho ahy ny hitady an'izany, ary tsy sahiko ny hampifandray azy amin'olona sao hiteraka fijaliana ho azy, ary izaho indray no homeny tsiny any aoriana. Manaraka izany dia talanjona aho,... dia ny resa-bola ve no hifantenana izay ho andefomandry e, sa koa ny lokon-koditra...sa ilay hoe hankaty an-dafy no tena lasa nofinofy tian-ko tanterahina ... asa loatra re.

Tena izany tokoa no amin'ilay lazain'ny hainteny hoe : "ny an-karo-misarona toa ho inona ihany". Ataon-draFahantrana mikaikaika ny malagasy, ka dia mitady izay fomba rehetra ialàna amin'izany. Koa dia heveriny ho tsara daholo izay fomba rehetra ahafahana miala amin'izany fahantrana izany, na koa izay fomba rehetra hanadinoana izay fahadisoam-panantenana mety ho nahazo azy fahiny.

Koa eto dia aleo mba hampatsiahiviko antsika zazavavy malagasy ny zava-dratsy mety hahazo anareo raha "miroboka tsy am-pieritreretana" ao anatin'izany fitiavana vazaha izany isika. Ny tsy fitovizam-pomba fijery eo amin'ny kolo-tsaina malagasy sy tandrefana (occidental) no tena hasiako resaka.

Aty an-dafy dia samy maka ho azy ny olona (individualiste), koa ho anao maniry hanambady vazaha sy te hanaraka azy aty an-dafy dia adinoy ny fomba fiainana arahina vangivangy sy serasera isan-takariva mampalaza antsika malagasy (marihiko moa fa i Tokinao rehefa miteny hoe malagasy dia ny tantsaha izay no tiany teneniny voalohany, ireo no maro an'isa tsinona ). manaraka izany dia tsy mitovy ny fomba fijery ny fanambadiana. Somary ho lalao ihany no handraisain'ny vazaha azy (fisaikaizàna na fi-sipàna) raha mbola tanora. Fa rehefa manomboka mahatratra ny faha-28 sy faha-30 taona any vao tena vonona hanorin-tokantrano ny ankamaroan'ny vazaha! jereo ato ny statistika.

Ka ny teniko dia ny hoe "diniho tsara ihany fa sao hanenenana". Lazaiko ary tsindrìko eto am-pamaranana koa anefa fa misy fanambadiana vazaha-gasy tena mahomby, sy miaina amim-pitiavana hatrany. Deraiko manokana ireny satria mahay mifampizatra sy mifandefitra tokoa na dia eo aza ny fomba fitaiza tsy nitovizana! Lehibe tokoa ny fitiavana ka mahavita zavatra maro Smile.

*Ny iray amin'ireo ankizivavy roa lazaiko etsy ambony moa, rehefa tsy nahìtako izay notadiaviny, dia mifankatia amina vazaha iray izy izao, ka irìko mba hahasambatra azy hatramin'ny farany izany.  Ilay tovovavy moa dia havana ihany fa noho ny fanajàko ny fiainany manokana dia tsy lazaiko eto ny rohy misy aminay.

Farany dia misaotra an'i Helisoa nanome aingam-panahy,  hevitra no marimarina kokoa Smile, tatsy. Mba tsidiho koa ange ny tranonkalany fa mahafinaritra e : http://rahelys.unblog.fr

Olana @ fametrahan-kafatra
2008/03/15,17:33
 
 
                  Betsaka isika manana blaogy eto amin'ny blaogy.com no nahatsikaritra ity olana lazaiko manaraka ity. Matetika rehefa mametraka fanamarihana (antsointsika koa hoe hafatra, "comment", "commentaire", sns.) amin'ny blaogin'olona isika dia tsy mety mipetraka izany, eny fa na dia nadìka tsara aza ny tarehimarika fanamarinana (authentification code).Koa ho antsika tompona blaogy dia jereo ao amin'ny blaogintsika ireo fanamarihana voasakana ireo, ary esory izany sakana izany (raha tianao hipoitra ny fanamarihan'ilay olona mazava ho azy Smile). Izany hoe araho ity torolalana kely ity :
  1. Midira ao amin'ny toerana fandrindrana ny blaoginao (mampidira solonanarana sy tenimiafina ao amin'ny toerana sahaza izany).
  2. Tsindrio ilay hoe "hevitra". Hisy toerana fisafidianana hipoitra ao (optionnel), koa dia :
  3. Fidio ilay hoe "comment_status_spam", ary tsindrio ilay hoe "montrer". Dia ho hitanao ao daholo ireo fanamarihan'olona voasakana tsy hay hoe nahoana Smile.
  4. Farany dia tsindrio ilay bokotra fanalàna sakana ery amin'ny sisiny ankavanana. Dia izay Smile.
Ho hitantsika ao amin'ny blaoginao amin'izay ireo hafatra ireo Smile.

Ny teny malagasy : ampiasao.
2008/01/23,21:23

 

Ho valin'ny lahatsoratra nosoratan'i "gazetyavylavitra" tao amin'ny blaoginy ity lahatsoratro ity : vakio ange ato e

Raha fintinina ny lazainy ao dia izao : tsikerainy ny gazety malagasy manao tsipelin-diso, sy tsy mandray fanakianana. Io lahatsorany io moa dia nametrahako fanamarihana, izay lasa lava be, ka dia aleoko koa nampidiriko ho lahatsoratro ilay izy

 Miombon-kevitra aminy 100% aho!!! (mba tsy hitenenana hoe 200% toy ny "fihenam-bidy" any an-tanàna :-) ).  Lavalava ity lahatsoratro ity ka dia zaraiko telo :
I- Ny fijeriko ny tokony ho andraikitry ny gazety,
.
II- fomba fijeriko an'ilay mailaky ny gazety iray izay mamerin-kafatra ary ny
III- fanaovana tsinontsinona ny teny malagasy amin'izao vanin'androntsika izao

Koa dia mazotoa mamaky e Smile!


       
Izaho dia tsy mba isan'irony nandalina teny na 'littéraire" irony, ary tsy mahafehy tanteraka ny teny malagasy. Nefa dia mahita diso marobe koa rehefa mamaky gazety malagasy. Aty ivelany aho ankehitriny, ary tsy hoe  manindrahindra ny an'ny hafa fa : ny gazety vazaha dia vitsy no diso tsipelina (mba tsy ilazàna hoe tsy misy tsipelin-diso). Ka lasa ny eritreritro amin'ireo gazety malagasy hoe : iza ary no tadiavin'izy ireo  hanaja ny teny malagasy raha tsy manomboka amin-dry zareo izany. Dia sanatria ve ka hatao toy ny valalan'alika izy ity.
    Amiko mantsy dia isan'ny anjara asan'ny gazety (ankoatran'ny filazàm-baovao) ireto rantsa-mangaika (éléments) lehibe ireto :

  1. mitaiza ny tanora ( sy ny vahoaka amin'ny ankapobeny ) : amin'ny fomba fiteny sy fanoratra, ary amin'ny maha-olom-banona, ary koa ny
  2. fampivoarana sy fanindraindràna ny tenim-pirenena.

II)
Momba ilay "mailaka gazety" izay mamerin-kafatra indray, amiko, dia :
- na "tsy fahafehezana ny imailaka" : raha misy voakitikitika manko ny baiko ao amin'ireny mailaka ireny dia mamerin-kafatra toy io izy.
- na koa "fanaovana an-tsirambina tsotra" izao : mampalahelo raha gazety malaza toy io no tsy mahatsapa fa ilaina ny fanakianana. Raha izaho no teo amin'ny toerany dia nampahereziko izay mpanakiana mba hazoto hitsikera hatrany.

( Tsy nanandrana nanoratra tany aho, fa dia mitoky tanteraka amin'i Avylavitra ny amin'ny fahamarinan'izany. ).


III)
        Farany : izaho manokana dia mankasitraka tanteraka an'ireo gazety manoratra amin'ny teny malagasy, eny fa na dia "mbola" misy diso tsipelina aza ("mbola" hoy aho satria mino aho fa "afaka hatsaraina" izy io). Amiko dia tokony ampaherezin'ny fitondràna ny gazety mba hanoratra amin'ny teny "malagasy" : satria ireny no sehatra iray mampiseho ny maha-izy azy antsika.

       Aty frantsa aho izao: ary tsy mbola nahita gazety amin'ny teny ankoatran'ny teny frantsay. Efa tany an-tany hafa koa ary dia nahatsikaritra an'izany hatrany. Rehefa any MKara anefa dia inona ? ... (hainareo ny zava-misy any : ny gazety miteny vahiny no betsaka, raha oharina amin'ny teny malagasy).

       Rehefa miresaka toy izao aho dia misy ny manakiana foana hoe : ka ny teny malagasy ange ka tsy mahalaza hevitra e, ny teny malagasy ange ka tsy mampivoatra e : nosy ny tanintsika, sns. Izao anefa no tsy hain'ireny olona ireny, dia ny hoe : ny teny iray raha tiana hivoatra sy hatanjaka, dia ny olona mampiasa azy no tokony ho tia sy ampiasa azy voalohany.
       Ny frantsay ankehitriny dia mirehareha fa manana ny teny iraisam-pirenena faharoa lehibe indrindra (manarakaraka ny teny anglisy). Raha zohìna anefa ny tantara dia vokatry ny fanjanahan-tany izany zavatra izany, ary mbola mitohy izany fanaparitahana ny teny frantsay izany amin'ny alalan'ny "fanalehibiazana ny vondron-tany miteny frantsay" (francophonie).  Izany hoe : nanana ary manana finiavana lehibe ry zareo hanaparitaka sy hampanankarena ny teniny. Fahiny moa, ny teny frantsay dia tenina tambanivohitra na "langue barbare" : fony izy vao nisintaka tamin'ny latina (taon-jato faha-5). Fa dia niady ry zareo : izany dia nanomboka tamin'ny fampiasana ny teny frantsay tany am-pianarana, tany ampiangonana, ary tamin'ny gazety sy boky fianarana. Izany finiavana izany dia hitantsika amin'ny boky tahiry marobe, na koa eto amin'ny aterineto :

i Du Bellay, mpanoratra frantsay fahiny, moa dia nilaza mihitsy fa "te hampivoatra an'io teny frantsay io, izay  tenina "tambanivohitra sy tsy misy dikany " ho lasa teny manana ny maha-izy azy".

Du Bellay veut faire de la langue française « barbare et vulgaire » une langue élégante et digne. Il lui faudra l'enrichir avec ses camarades de la Pléiade pour en faire une langue de référence et d’enseignement. Nalaina tao amin'ny:  "Défense et illustration de la langue française" (wikipédia)

 Koa ny hafatro dia ny hoe:  aza afangaro ny anton-javatra syny vokany : diso ny hoe " tsy mahalaza hevitra ny teny malagasy ka tsy tokony hampiasaina loatra". Amiko dia "TOKONY HAMPIASAINA IZY IO MBA HAMPIVOATRA AZY, ARY HAHATONGA AZY HO TENY MATANJAKA".

Misaotra tompoko :-).
Voan-dàlana an-tsoratra
2007/11/25,10:58

     'Zao ndray vao tafa-blaogy ô!!

     Efa ho iray volana no nahatongavako avy any M.kara, nefa izo vao tafanoratra ato amin'ny blaogy: tsy hita fa sahirana e . Ny zavatra afaka tantaraina dia maro satria betsaka ny zavatra hita tany.

     Ny lehibe indrindra dia ny fanatrehana ny Lalaon'ny nosy. Izaho sy ny namana iray mpanao blaogy eto mihitsy moa no niara nijery ny fanokafana azy io. Ka dia nahafinaritra mihitsy. Manaraka izany dia nanararaotra nandehandeha satria efa ela izay naniriana hahita an'i M.kara izay : ny tena tiako dia ny nandeha tany amorondranomasina, sy ny nandeha tany ambanivohitra. Tena kanto ilay mahita tendrombohitra malagasy, ireto tanety midadasika aman'hektarany (toa an'i Tampoketsa, sns), ireo mponina ao : izay samy manana ny fomba fiainany sy firòkiny. Eny fa na dia ny mahita ireo trano bongo sy falafa aza, ireo tambohon'ny ntaolo any ambanivohitra, ny mandinika ny fiainan'ny tantsaha : ny mpiandry omby, sns. Hitako ho nahazo tsirony ery aho.

     Amin'ny ara-tsakafo moa dia natao izay nahafa-po : mofo gasy, "caca pigeon", lasary manga, mokonazy, sns hihihi Im-betsaka no saika narary kibo nefa tsy mampaninona izany hoy aho : impiry hihinana an'itony anefa e .

     Ankoatra an'ireo zavatra nahafinaritra ireo dia nisy koa ny mampalahelo : dia ny fahantrana izay mahazo ny malagasy. Lafo ny vidin'entana, nefa ny vola miditra kely. Betsaka ireo tsy an'asa, ireo miasa anefa dia kely karama : ny mpiasan'ny "zone franche" izao dia misy mikarama 60.000Ar (300.000fmg). Inona anefa izay izany rehefa esorina ao ny vidim-bary, ny fanafody raha marary, sns. Izaho aloha dia malahelo e! Eto aho dia mahatsiaro an'izay sarin-teny nataon'ny vazaha iray izay raha mahita ny fahantran'ny gasy, hoy izy : "fa dia ahoana loatra ny hafetsen'ny malagasy e : ahoana no mbola ahavelomany amin'izao tsy fisiana mahazo azy izao ?",  raha jerena tokoa mantsy dia efa ambanin'ny "seuil de survie" isika. Hoy ny olona iray ao amin'ny wikipédia :

"Selon le seuil de pauvreté de 1 dollar par jour en PPA 1985, la majorité des pauvres se trouvent en Asie du sud (39%), Asie de l'est (33%) et en Afrique sub-saharienne (17%). Les pays comptant plus de la moitié de leur population sous le seuil de pauvreté sont: Guatemala, Guinée-Bissau, Inde, Kenya, Lesotho, Madagascar, Népal, Niger, Sénégal, et Zambie."

Marina fa efa tamin'ny 1985 io, nefa mbola tsy niova io raha ny fandinihako : latsaky ny 2.000Ar mantsy ny karaman'ny lehilahy mpiasa tany ao anatin'ny iray andro ao Imerina ao. Ara-tsiantifika dia tokony tsy ho velona intsony ny olona tsy ampy sakafo toa antsika Malagasy. Izaho manokana moa dia efa hatramin'ny nahakely aho dia tsy haiko ny tsy hijery ireny fahantran'ny olona ireny, eny fa na dia tsy mbola nahakasika ahy aza izany. Ary isan'ny tanjoko ny hanampy azy ireny amin'ny famoronana asa rahatrizay ka tafaverina any an-tanindrazana aho.

Manaraka izany: isan'ny nahakivy koa, dia ny habetsaky ny risoriso any amin'ny ministera : ao amin'ny Topo sy Domaine indrindra indrindra. Raha sendra niditra tao aho, ka nankeo amin'ny "fandraisana" dia tsy noraisin'ny tompon'andraikitra velively. Arirarirany amin'ny hoe : miandrasa kely, sns aveo dia asainy miverina afaka 15 andro. Reko taman'olona avy eo (ary efa haiko ihany taloha Smile ) fa tsy maintsy mahalala olona raha te hanao zavatra ao. Dia mbola mampalahelo tokoa e. Ny mba mahagaga ahy dia ireto :

- Malaza ho mivavaka ny malagasy (ary izany rahateo koa no tsapa aloha e, raha oharina amin'ny tandrefana mazava ho azy). Ny mahagaga anefa dia tsy hita taratra mihitsy izany any amin'ny sehatry ny asa. Ka mba lasa ihany ny saiko hoe : "am-bava fotsiny ihany ve ity fivavahan-draMalagasy ity raha izao no dinihina, ary fomba fotsiny ve ilay fankanesana any am-piangonana". Sa ahoana hoy nareo ?

- Manaraka izany : reko tamin'izaho taty Frantsa fa efa miasa ny BIANCO. Toa fomba fiasan'izy io hono ny midina mankany amin'ny ministera ary mitily raha manao kolikoly ny mpiasa iray. Mody mandefa olona hìla "service" any izy ary mitsapa raha manao kolikoly ilay mpiasa. Ka raha io no ampiharina amin'iretsy ministera roa nolazaiko tetsy ambony ireo dia ho betsaka ireo ho voagadra. Koa lasa saina aho hoe : maninona no dia hodian'ilay Bianco tsy hita ireo zava-mamoehitra ao amin'ireo ministera ireo. Sa kosa, sao ny ao amin'ilay Bianco no tokony hodiovina voalohany ?

Dia izay ny anio fa mangataka anareo hilaza hevitra e. Misaotra ô

1 2 3 4  Manaraka»
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype