Voalohany dia miarahaba antsika nahatratra ny 26 jona lasa teo. Aleo hono tara toy izay tsisy
. Raha izaho manokana dia tsy afaka nandeha tamin'ireny fety na takariva fanaon'ny diaspora malagasy tamin'io andro io. Na dia izany aza anefa dia nahatsiaro tsara an'i Madagasikara aho io andro io.
Noho ny embona, voalohany indrindra dia lasa niditra tamin'irony efitra famakiam-boky irony ny tenako, ary namaky sy nindrana an'ireo boky rehetra miresaka momba an'i Madagasikara. Fanampin'izany dia nihaino mozika gasy : nataoko ampoton-tsofina mihitsy satria nampiasa "écouteurs" aho
. Tsy inona moa ireo boky nolazaiko tetsy ambony fa ireto avy :

Ny tanjoko voalohany moa tamin'izany dia ny mba hahalala hoe : "raha misy vazaha iray te hahalala an'i Madagasikara amin'ny alalan'ny boky dia endrika inona no ho azony". Faharoa dia tiako ny mahalala ireo fahasamihafàna ara-ekôlôjika sy ara-olona ao Madagasikara. Na dia mpandehandeha manko aho tany fahiny dia betsaka ny mbola tsy haiko momba an'io tany be harena io. ( Harena manko hono ny fahasamihafàna ).
Akory anefa ny hafaliako fa misy zava-tsarobidy maro tokoa 'kay ao amin'ireo boky ireo. Izany dia ho hitantsika amin'ilay boky mitondra ny lohateny hoe :"Madagascar" ( 1964, 192pejy, nosoratan'i Claude janicot, edisiona "Rencontre" ). Io boky io dia ahitàna :
Koa dia mazotoa mamaky ny lahatsoratra manaraka izay hivoaka tsy ho ela e
.
"Mariarano Fanantenana" dia fiangonana F.J.K.M. iray any Mariarano, ambanivohitr'i Maroantsetra, izany hoe any avaratra atsinanan'i Madagasikara. Ny mpitandrina an'izany fiangonana izany dia lehilahy niara-notaizana ( na koa nifampitaiza ) taminay tao anivon'ny skotisma protestanta. Ary ankehitriny dia tsy tapaka mifampilaza vaovao sy mifanoratra izahay. Ary izany fifanoratanay izany no nahalalàko ny olana sedrain'ny fiangonana ankehitriny.
Olana inona moa izany ?
- Ny rivo-doza : Toerana fandalovan'ny rivo-doza isan-taona ny faritr'i Mariarano, . Vokatr'izany dia simban'ny rivotra avokoa izay trano ratsy orina rehetra mandritra ny fararano ( janoary - aprily ) ; sady misy tondra-drano no misy rivotra mahery mandritra izany fotoana izany. Rehefa ririnina kosa moa dia erika tsy mitsahatra mila ho isan'andro.
- Marefo ny trano fiangonana "Mariarano Fanantenana" :


- Mihamaro anefa ny mpiangona : Vao haingana izay, dia tsy mitsaha-mitombo ny mpiangona amin'iny faritra iny. Na ny katolika izany , na ny protestanta (noho ny fahasarotan'ny fiainana angamba hoy aho), na ireo fiangonana hafa koa. Misy dia olona mahavita mandeha an-tongotra lavitra be, avy any ambanivohitra any, mba hamonjy fiangonana isan-kalahady. Ny lakana koa moa dia tena miasa be any amin'iny faritra iny. Noho izany, dia betsaka ny trano fiangonana majinijinika naorina mba tsy hanahirana an'ireo olona hamonjy fivavahana isan-kalahady. Raha ny fiangonana FJKM fotsiny dia efa miisa ho 4 na 5 hono no misy ao Mariarano. Ary dia mpitandrina iray no nitarika izany fiangonana rehetra izany. Toa hoe : nifandimby tarihiny hono ireo rehetra ireo. Noho ny maha-majinika iazy izany dia tsy nataon-dry zareo ho mafy orina moa izany trano fiangonana izany. Vao tamin'ny rivo-doza nifanesisesy 2007 teo anefa dia potika daholo ireo tranomajinika ireo ka dia voatery mankany amin'ny fiangonana foibe ny mpiangona rehetra. na dia ity farany ity aza moa dia zara raha mafy orina (jereo ny sary roa etsy ambony).
Vahaolana
Mba hialana amin'izany olana izany dia tapa-kevitra ny mpiangona fa ny fiangonana foibe "FJKM Mariarano Fanantenana" no hatao mafy orina, mba ahafan'ny mpiangona mivory mandavan-taona. Trano "beton", milalotra simenitra, mitafo fanitso no kasain-dry zareo hatao. Koa ho entina manatanteraka izany dia betsaka ireo fitadiavam-bola karakarain'ny fiangonana : rindran-kira karakarain'ny mpanakanton'ny fiangonana, famokarana T-Shirt, sns, ary koa vokatra* izay anentanana an'ireo zanaky ny fiangonana. Raha ny fahalalàko azy manko, ny fiangonana FJKM dia tsy mba natao hahazo fanampiana avy amin'ny foibe FJKM, fa miankina tanteraka amin'ny olona miangona ao aminy. Ny fiangonana katolika toa tsy toy izany mantsy.
Antso ho antsika ...
Koa ny antso atao amintsika, antso izay nasain'ny mpitandrina sy ny fiangonana mba aeliko eto amin'ny blaogiko eto, dia ny fanentanana "antsika" handray anjara amin'izany ezaka lehibe ataon'ny fiangonana "Mariarano fanantenana" izany. entanina manokana moa :
Ireo izay aty an-dafy manokana, dia afaka mandray anjara mivantana amin'ny "vokatra" (rakitra alefa any am-piangonana).
Koa amin'izany dia :
- antsoy ny ray amandreny Mpitandrina Atoa ABDINAGO Fanantenana : 00261 33.14.110.79 na koa
- manorata any amin'i Tokinao ( RAJAONARISON Andrianandrianina M. ) : ajahiraim@yahoo.fr
Misaotra namaky ô
Ombay > teny mandidy [imperatif] na koa manentana avy amin'ny hoe : "momba". Ny dikany dia hoe "mombà anay" na koa "miaraha aminay", na koa hoe "ndao". Ohatra : ombay hilalao e = miaraha aminay hilalao e =ndao hiaraka hilalao aminay . Fiteny koa ny hoe : Mombà azy = miaraha aminy.
Izay manana rakibolana na diksionera malagasy dia angatahako mba hanazava bebe kokoa ô.
Mba nanindritsindry teto amin'ny aterineto teto raToky ka sendra an'ity video ity e:
| « | Jiona 2007 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |