Tokinao

« Fa ny fitiavana no lehibe indrindra* :) | Main | Mbola hiresaka politika tokoa ve? »

"Mpino & Darwin" # "Tsy mpino & darwin"
2011/03/23,00:53

Salama daholo o!

Mba hanoratra indray aho anio. Tsy izany fa izao : nisy lahatsoratry ny namana iray izay tatsy novakiako satria nahaliana ahy. Dia avy eo novaliako. Dia avey eo ... hitako ho tsara tehiriziko ny zavatra nosoratako.

Ho vokatr'izany dia : tsaratsara raha vakianareo aloa (eny fa na dia ambangovangony fotsiny aza) ilay lahatsoratr'olona atsy :NY TSY MPINO SY I DARWIN  Ary avy eo ianareo vao miverina mamaky eto, raha hamaky Smile. Satria (indramiko ny tenin'izay olona iray izay hoe) : tsy natao loatra hovakian'olona no tanjoko, fa kosa ny hanana arsivan'ny zavatra noeritreretiko. Ny fanatsarana zavatra mivaingana mantsy dia tsy maintsy mianga amin'ny eritreritra. Raha tsy misy ny eritreritra dia tsy misy fanovàna sy fanatanterahana.

 


 Rehefa novakianareo moa ilay lahatsoratra etsy ambony, dia izao no fijeriko (eto ambany eto ... dia miresaka amin'ilay mpiblaogy nanoratra ilay lahatsoratra aho) :

Tiako mihitsy ity lahatsoratrao ity satria milaza ny zavatra mba nanitikitika ny saiko hatry ny ela, sady milaza koa ny zavatra efa saika lazaiko.

Raha tsorina, dia efa ela koa aho no saika hanakiana an'ilay fomba fijerintsika gasy izay azo atao hoe : donton'ny fivavahana (izay manamarina ilay hoe :  religion, opium du peuple. maherihery ihany io fiteny io, ka mangataka ny mpamaky aho mba hamaky hatramin'ny farany). Betsaka ny itovizantsika hevitra (ankoatran'izay ho lazaiko etsy ambany). Ny mba tsikaritro dia ity : betsaka ny malagasy no tsy mahay mandray ny fivavahana : lasa vato misakana amin'ny lafiny rehetra ilay izy matetika. Ohatra fotsiny : 

- eo @ fomba fiakanjo, sy fihetsika : misy ny fomba fiakanjo lazaina fa tsy maontina ara-pivavahana. Ny marina anefa dia ny saina no tsy mahatanty ilay zavatra. (ny fiakanjo sexy no teneniko eto. Heverina manko matetika fa mpivaro-tena ihany no mpanao ireny).

- eo @ lafiny ara-politika, sy fiaraha-monina (tsy asiako ohatra eto satria tsy te hiresaka politika aho aloha).

- eo amin'ny resaka siantifika : indraindray dia lasa vato misakana tsy ahatakarana zavatra ilay finoana (zonareo ny tsy hitovy hevitra amiko amin'ity). Ohatra fotsiny : izaho manokana dia mahita fa mifanaraka tsara ny lazain'ny genesisy na genezy sy i Darwin. Jereo ange ilay filaharan'ny fipoiran'ny zava-manan'aina e : ny trondro aloha, izay vao ny vorona, izay vao ny biby an-tanety, ary farany ny olombelona:  samy milaza an'io na i darwin na ny baiboly (jereo ny an'ny katolika na koa protestà). Fa ny mahasamihafa azy fotsiny dia ny fomba filazan-javatra : ny genesisy somary misarin'angano, fa ny iray kosa siantifika. (Mamaky an'ity zao ny olona sasany dia mety hilaza fa siansa koa ny finoana, na koa hoe : ny finoana dia ambony noho ny siansa rehetra. Ny hevitro amin'io dia aleoko tsy teneniko eto satria : ho lasa lava ny fanazavana. Ny azoko tenenina angaha dia ny hoe : sasanangy samihafa ireo, ka tsy azo ampitahaina, ary tsy mifanimba. Andriamanitra no nanome saina antsika hahay siansa). Ny matetika mpitranga dia : vao maheno fotsiny ny mpivavaka sasany hoe : "avy amin'ny gidro ny olona", tonga dia manidy ny varavaran-tsainy, satria mifanohitra amin'ilay hoe : "natao ho tahaka an'Andriamanitra isika". Ho ahy manokana dia ny fandraisako ny an'i Darwin dia hoe : ny gidro no nisy taloha, izay vao ny olona. Fa ny fomba nipoiran'ny olona kosa indray dia, avelako io ho misiterin'Andriamanitra. Mety ho nataony, "par mutation" haingana na miadam-piova (aman-tapitrisan-taonany), mety ho nataony niforona amin'ny alalan'ny tsy misy (io dia inoako fa hain'Atra, satria na ny olombelona aza dia nahita fa afaka mamboly mikroba avy amin'ny mololo : tamin'ny nahitàna ny mikroba voalohany. Mety ho nataon'Atra ho avy amin'ny reaction chimique-na matière minerales koa. Tsy voazavako io "partie fiforonan'olombelona io" no tena marina ka ao no ametrahaka ny finoana.

Ity "finoana lasa vato misakana" ity moa dia efa mpitranga hatramin'izay naha-tany ny tany. Fony faha-moyen age, dia tsy navelan'ny fivavahana (fa fady hono) ny mianatra ny ao anatin'ny fatin'olona. Izany dia nahatonga ny olona tsy hahay fitsaboana, sns. Taloha ela be koa dia fady ny izao sy izatsy raha tsy izany dia ilatsahan'ny andriamanitra "varatra", sns.

Ary izaho manokana dia mbola mieritreritra fa betsaka ny azo kianina amin'ny fomba fampiasantsika  olombelona (izany hoe ny malagasy koa) ny resaka "finoana" ankehitriny. Ho sarotra amin'ny olona anefa ny hahatakatra izany satria : efa zatra an'ilay zavatra ilay olona, ary teraka tao anatin'izany fahazarana izany. Io no tahaka ilay tantaran'ny olona iray teraka tao anaty lava-bato, ary mbola tsy nivoaka tao : tsy fantany hoe anaty maizina izy satria mbola tsy nahita ny mazava (eto koa dia aza malaky mitsara ny mpamaky sasany hoe : ampitahaiko amin'ny haizina ny finoana. Tsy izany velively). Ny tiako tenenina dia ny hoe : tsy ho hain'ny olona iray velively ny hitsara ny tenany raha mbola tsy nahita ny hafa izy, na koa : tsy afaka atao mihitsy ny hamaritra ny zavatra iray raha tsy efa misy "reference, na koa répère".

 

Hiverina amin'ny resaka Darwin sy Andriamanitra aho. Izaho dia "mino" fa samy marina ireo. (Ampiako fotsiny hoe : mety somary hisy diso ny an'i Darwin, ary ny hoe :mety ho "imagée" ny an'Atra, ary koa "notsotsorina" mba ho takatry ny olombelona. Eto indray dia aza tenenin'ny sasany aho fa hoe manompo Andriamanitra 2. Tsy izany fa izao : ny iray Andriamanitro, ary ny iray Théorie. Heveriko fa ny théorie dia inoana na ekena no filaza azy satria tsy nisy vavolombelona nanatrika izany).

 

Tohizako ny resako : mitovy ireo hoy aho. Ny Genezy fotsiny no somary endrik'angano. Ary hitako ho rariny izany satria : ataon'ny olombelona fahiny ahoana moa no hahazo ny resak'Andriamanitra raha toa ka nataony ara-tsiantifika izany. tsy ho azon'ny olona mihitsy. Ary na dia ankehitriny aza, dia tsy ho azontsika olombelona mihitsy ny resak'Andriamanitra raha ataony fanazavana siantifika. Bitika sy kely ny fahaizan'olombelona na dia amin'izao fotoana izao aza (ampitahao fotsiny ny angezan'ny olona iray, sy ireo kintana aman-tapitrisany : na ny lalànan'ny kintana iray aza tsy voafehintsika) : izany fahabitihan'ny fahalalantsika izany anefa dia tsy takatry ny saintsika, satria efa zatra niaina tao isika. Eny, mety ho heverintsika ho goavana be aza isika satria ny tenantsika ihany no hitantsika hatramin'ny naha-isika antsika. Toy ilay olona ao anaty lava-bato maizina : na dia ao anaty maizina aza izy dia heveriko fa mety hanana ny "notion"-na hazavana ihany : ohatra hoe : heveriny ho hazavan'ny masoandro ny fanjelatry ny vaingam-pasika kely iray monja.

 

Raha fintinina dia izao :

- Ekeko tokoa ilay fijery hoe : tsara ny mifanaja fomba fijery, sy tsy malaky manakiana. Eny fa na dia ny hevitra mifanipaka tanteraka @'ny an'ny tena aza.

- Izaho manokana dia mino an'Atra, nefa koa dia manaiky sy manaja ireo hafa finoana rehetra, hatramin'ny tsy mino koa. Ary maniry aho mba hiparitaka izany fijery izany.

Mety tsy hazava ny resako satria filozofika, nefa ... io no mba takatro hanazavàna azy.

Ahoana ny hevitrao ?

Misaotra indrindra e!

Misaotra anareo mametraka fanakianana momba ity fijeriko ity Smile (Eny fa na dia ny tsipelina, filazan-kevitra aza). Ny teny ratsy ihany no aza apetraka llooll.

PS : Aleo azavaiko fohy ilay hoe "donton'ny fivavahana", na koa ilay hoe "religion, opium du peuple" sao tsy mazava. Tsy sanatria ny fivavahana akory no hitako ho mahadonto, fa isika indraindray no manadonto ny saintsika. Ary tsy ny fivavahana akory no drogue, fa isika no lasa mandray azy ho "drogue".  Aleo nazavaiko tsara io ... sao heverin'ny olona ho mpaniratsira fivavahana aho.

Tsy ny fivavahana no toheriko, fa ny fomba sasany hanarahana azy.


Raha nahaliana anao ity dia jereo koa ange ato e : How Darwinism and Faith Can Coexist

 

Hevitra

Comment Icon

Slt, elaela indray izany dia tonga soa eh!!! tena saika fanina aho namaky azy, sady misy zvtra betsaka azo raisina tsara.
Misaotra nizara, dia mazotoa hatrany

Posted by: Fanhaiky at 2011/03/23, 11:25
Comment Icon

Ny tena marina dia ny olona "pseudo-mpino" le hoe no tena fanatika be an'le resaka A/tra. Ny tiako tenenina hoe ireo "mpino an-tsasany". Izany hoe ireo olona mifantoka be @ hoe interpretation manokana ny baiboly ary tena miseho azy hoe "le plus chretien", kanefa refa jerena ny fomba fiaina dia tena diametralement opposE an'zay... jereo tsara anie fa le olona tena mpivavaka ireny tia vola be e...
ny tena hoe mpino tena izy anefa mba hoe mampifandray ny finoana sy ny cote pratika eo @ fiainana izany. Hoe refa tapahana ny loha dia tsy maintsy maty enao, independament an'ny hoe mino an'A/tra na tsia...
arak'ilay fiteny hoe ny tapany ihany no tena mikobana ee :-)

Izany hoe ny resa-pinoana moa zavatra azo lazaina hoe personnelle sy hoe privee ka izay no tsy tokony hoe hikianana sy hoe hanabatsiana ny hafa... izany hoe hikipiana fotsiny le izy rehefa tsy mitovy hevitra... ny tena zistoira manko le rehefa mivoaka ny hoe finoana kristianina tahaka ny hoe hindu, silamo sy hoe buddhista... misy hoe tsy minana omby, tsy minana kisoa sy izao zavatra nonsense rehetra izao...

Ny hoe fifandraisana @ i Darwin sy ny hoe teorian'ny evolution indray dia @ ilay hoe niforonan'izao ntontolo izao fotsiny iny. Izany hoe aspect iray an'ny finoana fotsiny. Enfin, aspect goavana alou satria hoe fanombohana eee... i Darwin izany dia milaza ny hoe fivoaran'ny toe-batana (organisme) teto @ planeta tany fotsiny. @ ankilany ny baiboly manao an'le hoe A/tra nanamboatra ny olona sy ny zava-manan'aina rehetra... techniquement parlant tsy mifanohitra velively ireo afatsy ny hoe timeframe voalaza izany na hoe ny fotoana lany nanaovana izany satria eo @ millions d'annees maromaro vao tonga t@ racen'ny zanak'olombelona... dia izay no misy miteny hoe ny fotoana any @ espacen'A/tra tsy mitovy @ antsika... tsy dia hitako ho olana be loatra hoe contradiction izany alou ee... Ny baiboly koa anie olombelona no nanoratra azy ee fa tsy hoe i A/tra akory ee donc tsy maintsy misy diso ary koa hoe misy ny hoe latsaka t@ fanoratana na hoe fitantarana...

Rehefa lazaina izany fa mitantara ny zavatra iray ihany ny Darwin sy ny Baiboly dia ny tena fanotaniana dia ilay hoe pre-darwin era izany na hoe ny fanombohan'ny universe... izany hoe satria ny tany dia manana environment propice @ hisian'ny organisma velona dia lasa hoe izay namorina ny tany izany hoe tena hoe tompon'andraikitra, dia izay ilay hoe ahoana ny niatombohan'ny universe...

ny teoria siantifika moa dia ny hoe big-bang... fa ny mbola tsy fantatry ny siantifika fotsiny dia ny hoe inona no nipoaka tao @ le big-bang...
eo izany no limitation an'ny siansa alou hatreto ka asa misy idiran'i A/tra ve ao? izany hoe i A/tra ve dimension hafa ambonin'ny dimension an'ny oniversa? ny M-theory izao dia hoe misy oniversa anaki-2 parallele ony dia rehefa nifandona ireo dia izay no niteraka ny big-bang...
dia ra ohatra ka misy dimension iray ambonin'ireo oniversa anakiroa ireo izany dia mety mbola hoe misy supersuperoniversa micontenir an'ireo... et ainsi de suite... azo ankarina hatr@ infinie ny dimension...
tsy zakan'ny saiko ee!!

izao rehetra izao no mahatonga an'le hoe: minoa fotsiny ihany eee!!
en tt cas tsisy mamaly an'ity fanotaniana ity daholo izany rediredy izany: inona no sogany androany atoandro?

;-)

Posted by: simp at 2011/03/24, 10:08
Comment Icon

ps: mialatsiny ra misy diso tsipelina na otran'zany fa lava be le izy... kamo be hamaky sy hi-edit ny hevitra voasoratra...

Posted by: simp at 2011/03/24, 10:09
Comment Icon mankasitraka

>Fanhaiky : mankasitraka indrindra o.

>simp : Ekeko tokoa ilay hoe "ny resa-pinoana moa zavatra azo lazaina hoe personnelle sy hoe privee ka izay no tsy tokony hoe hanakianana sy hoe hanabatsiana ny hafa". Fa izao kosa : ataoko fa raha misy voka-dratsy eo amin'ny fiaraha-monina izay iaraha-manana ilay izy dia hitako ho rariny kosa raha tokony "asiana ady hevitra" (mba tsy hitenenako hoe : tokony "kianina" sy "ahitsy". Tsy sahiko ny hiteny hoe : tokony "ahitsy" satria tsy azoko antoka ho marina tanteraka ny fijeriko, raha tsy milaza ny heviny aloha ireo tsy mitovy fijery amiko.).

Malaza ho tia mifanakalo hevitra isika Malagasy, "Ny hevitry ny maro manko hono no maha-taka-davitra". Koa maninona àry io toe-tsaina io raha ampiharina amin'ireo karazan'olona mifanohatra fijery : ara-pinoana, politika, sy ny sisa.

Rehefa tsy misy manko io fifanakalozan-kevitra io dia lasa fifanaratsiana any an-tsaina (prejugés diso) no lasa mameno ny sain'ny olona. Ohatra hoe:
- lasa mieritreritra ny protestant sasany fa manompo ny pape ny katolika,
- lasa mieritreritra ny kristiana sasany fa ny fivavahana silamo dia "diso" sy finoanoam-poana.
- lasa mieritreritra ny olona sasany fa raha vao tsy kristiana dia mpanompo sampy,
- ary raha vao mpanompo sampy dia tsy maintsy ho mpangalatra sy mpamono olona hatao sorona, ary mivavaka amin'ny devoly. na koa :
- raha vao manao mini-jupe dia sipa "maditra" izany ary tsy notaizana tamin'ny fivavahana, sns

Ny an'ny tenany anefa tsy hitany. Eto aho dia aza kianina hoe : na izaho aza dia mandany fotoana mitsikera ny hafa fa tsy mandinika ny tenako. Satria, au contraire, lazaiko eto ny hevitro mba ho kianinareo, satria ilaiko izany, mba manampy ny fandinihako ny tenako.

Farany, asa ianareo raha mba efa nanofy na nanontany tena hoe : any aoriana any, mety mba hisy silamo (zanaka karana ohatra), na koa "athée", na koa "mpanaraka ny finoana nentim-paharazana" ho lasa filoham-pirenena ve ? Izany hoe : mety hisy "tsy kristianina" mety ho lanim-bahoaka ve ?

Toa sarotra ny hisian'ireo, raha ny fijeriko ny toe-tsaina ankehitriny. Satria betsaka loatra ireo "prejugés"-ntsika amin'ny finoan'ny olona. Amiko manokana anefa dia afaka atao tsara ny hoe : sady athé(e) (na silamo, na koa mpanompo sampy, na mpanaraka ny "mormon", ...) ary koa tia tanindrazana sy manana fahaizana mitondra,
Ho porofo dia jereo fotsiny ireo : filoha-pirenena vahiny izay tsy kristianina (na koa tsy pratiquant) nefa mahatafavoaka tsara ny fitondrany ny fireneny : ireo mpitondra eropeana "non pratiquant", ny emperora na praiminisitra japone, sns.

Raisiko fotsiny ny

Ny mpanao politika malagasy koa moa tsy adala : hitany ilay kilemantsika Malagasy mora "dontom-pinoana" :) , koa dia : ataony hatrany izay ahazoany fanohanana avy amin'ny foto-pinoana be "dontom-pinoana be indrindra" mandritra ny "propagande" :). Ary tambatambazany ery ilay foto-pinoana satria miankina amin'izany ny ahazoany "fanohanana" eo amin'ny fitondrana.

Posted by: Tokinao at 2011/03/25, 12:04
Comment Icon

Ho ahy siantifika kristianina, dia azo ampiarahina tsara ny finoana an' Andriamanitra sy ny firehankevitr'i Darwin. Ny mpanao pôlitika ao bekintana matetika no tsy mety mi-admettre mihitsy hoe azo afangaro tsara ireo.

Posted by: raprôsy at 2011/03/26, 11:43
Comment Icon

Baolina ambony ...Tatazan'ny loha...Handinika aloha...

Posted by: finoanaranoray at 2011/03/29, 15:45
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype