Tokinao

« Hilentika kely Ra-Toky :-). | Main | Ria-drano Lilia, ao Ampefy. »

Resaka teny malagasy hatrany.
2008/10/19,12:34

 

Mandehandeha ratsy Cool ny zavatra ataoko ka dia mangala-potoana hiblaogy aho na dia efa nilaza ho "sahirana aza". Izany moa dia noho i finoanaranoray ihany hihihi : naveriny napetraka mantsy ilay lahatsorany mitondra ny lohateny hoe " afaka 50 taona ... foana ny teny gasy, hoy di ...". Nokitihiny ilay kilemako (resa-pitiavana teny malagasy) ka dia tsy naharay lamba tsy fidiny RaToky Wink. Novaliako sy nanaovako fanamarihana io lahatsorany io. Lasa lavalava anefa ny resako tao, ka mba tiako hotahirizina ato amin'ny blaogiko koa. Izay no ela, fa dia ndao hatao ady vomangan'Ikirijavola e, ka ny voamasony no 'ndeha hopotserina avy hatrany :

Raha fintinina ny zava-dresahan'i finoanaranoray ao dia ny hoe : aza mihevi-tena ho mpindrana na mpangalatra isika rehefa miteny ireo teny vahiny nogasiana izay efa ofisialy sy ny hoe mitenena teny gasy raha mbola azo atao.

Mitovy hevitra tanteraka aminy aho, ary ho fanohanako ny heviny dia notsahiviko ireto manaraka ireto :

Ny teny dia mivoatra. "Ary ny teny tsy mivoatra dia ho faty" : tenina mpandinika iray io. Raha mandinika ny teny vahiny matanjaka isika dia hita fa tsy mitovy ny fahiny sy ankehitriny. Ary nisy fivoarana im-betsaka vao tody tamin'izao ry 'zareo. Ary na dia amin'ireo teny vahiny matanjaka ireo aza, dia tsy ny voasoratra loatra intsony no resahina amin'ny andavanandro (izany dia ahafahana milaza fa eo an-dalam-pivoarana hatrany ny teny iray). 

Ohatra : Amin'ny teny anglisy, ny teny hoe "you" (adika hoe ianao na ianareo) dia vao haingana mihitsy ; ary efa teny ho amam-polony no nampiasaina talohan'izany : jereo ato. Ohatra fotsiny io fa midira ato raha te hahita ny lisitra fenon'ireo teny anglisy fahiny : http://wandership.ca/projects/eow/.

Ireo fiovoarana ireo moa dia vao tsy ela satria tamin'ny taonjato faha-VIII tany ho any. (jereo  A T O ny tantaran'ny teny anglisy). "Vao tsy ela" raha oharina amin'ny maridrefin'ny tantaran'ny zanak'olombelona.

Ohatra hafa amin'ny teny frantsay : "je ne suis pas malade" no fanoratra. Rehefa miteny anefa dia tsy misy frantsay hiteny an'io fa "suis pas malade" hoy izy. Ao koa ny "il y a ..." izay lasa "y a ..." fotsiny.

Toy izany koa ny teny hafa marobe : ny italiana, ny frantsay, ny alemà, sns. Ny nampiavaka ireo teny ireo fotsiny dia noho ny fananan'ny tompony finiavana handrindra (initiative de rationnalisation) azy. Izany fandrindràna izany dia niainga amin'ny dingana maro :
---------------
1°- fanoratana an-tsoratra ireo teny fampiasa amin'ny andavanandro. Tsy tokony hiala lavitra amin'ny fampiasa andavanandro ny teny soratan'ny akademia, raha tsy izany manko dia tsy hisy hampiasa akory.
---------------
2°- fampidirana ireo teny vahiny (ny teny rômana tamin'izany fotoana no niandohana, izay fototry ny teny erôpeana rehetra). Io findraman-teny io no mahatonga ny teny rômana, grika ary arabo ho betsaka amin'ny teny erôpeana sy ny tenin'izao tontolo izao. Rehefa novainy hifanaraka amin'ny fiteniny avy anefa izany dia lasa teniny. ohatra :ny hoe psychology (teny anglisy), sy psychologie (teny frantsay), dia samy nalaina avy tamin'ny teny latina "psychologia" (taonjato xvi), izany moa dia nalain'ny latina tamin'ny grika "ψυχή « fanahy » sy λόγος « fahaiza-miteny ». Fototra : jereo http://www.cnrtl.fr/etymologie/psychologie.
(ato misy lisitra feno ho an'izay liana amin'ny etimolojian'ny teny frantsay : http://www.cnrtl.fr/etymologie/)

-------------
3°- fikarohana ny lalàna izay mifehy izany teny vaovao izany : ny fitsipi-pitenenana, sns.

Ireo rehetra ireo dia tokony hitarika antsika :
- hiteny ny tenin-drazantsika hatrany.
- tsy hihevi-tena ho mpangalatra na mpindrana rehefa mampiditra teny vahiny ho gasiana.
- handinika ny lalànan'ny tenintsika : ireo mpandinika ny teny sy ny akademia moa no tena tompon'andraikitra mivantana amin'ity farany ity. Nefa tokony ho ampiasaintsika koa izany voka-pikarohan-dry zareo izany ho fandrisihina azy hatrany.

Tsy ny tenintsika no tsy ampy, fa maro amintsika no tsy dia mbola miezaka hampivoatra azy.


 "Andrianiko ny teniko , ny an'ny hafa koa feheziko".

Hevitra

Comment Icon

kely dia kely ilay lahatsoratra @ ity ecran 15" ity rampisto aho vao tena handinika azy any ampesana marina! lol

Posted by: news2dago at 2008/10/19, 16:17
Comment Icon

Marina ilay tenin'i news2dago nef any ahy ecran 17''ka nafindra word ny ahy ny lahatsoratra aloha. misaotra nilaza hevitra e

Posted by: jentilisa at 2008/10/19, 17:12
Comment Icon ok

news, jentilisa : misaotra nanamarika fa hamboariko 'zany olana zany.

Posted by: Tokinao at 2008/10/19, 18:49
Comment Icon

tokinao a, esoriko ilay satroka virtoaly ao an-tampon'ny lohako ao !!!
(aty amiko ilay lahatsoratra mazava be fa ny hevitra bilitika ery !)

Posted by: ikalamako at 2008/10/19, 21:01
Comment Icon

Zany anie wa ee
za ndray aloha dia tsy marary andoha @ ze akademia sy forongony any fa dia gasiako avy hatrany refa elabe mbola tsy tonga ao andohako ihany ilay teny tena izy eee... Zany hoe manampy bedabe ny fisian'ny olona mahay ny tena izy mba manitsy fa rehefa tsisy afatsy ol 2 na 3 samy zero @ malagasy ve moa... aleo ihany miteny gasy na dia hoe fopla aza :)

ps: ary lasa manja be ny blaogin'i toi an
clap clap!!

Posted by: simp at 2008/10/19, 21:29
Comment Icon msôtra 'zareo a

Ikalamako : mahita tenenina mits :). Msôtra nanamarika an'io fahakelezan-tsoratra io!

simp : ekena mihitsy simp a! [ps: momba ny blaogy : ny teo ihany no avadibadika e :) ]

Posted by: tokinao at 2008/10/20, 18:15
Comment Icon

simp : nampiany ravinkazo (sao dia mba dotra ry tokinao ilay ravi-manirery ery ambony akaikin'ny sarinao ?!!) hohanin'ny gidro sy ny soavaly fotsiny ilay blaogy - mbola ao ve klou le soavaly fa zah sy mozilla manko hiavonavonan'i lery iny mihtsy

Posted by: ikalamako at 2008/10/20, 20:52
Comment Icon

Tsara tokoa ilay blogy fa raha izao no mitohy ra-tokinao dia tsy maintsy apetaka hitady lopy hijerena ny soratra marina moa!

Posted by: ni81 at 2008/10/20, 21:12
Comment Icon

mety ilay fanazava kevitra fa ny tiako ho marihina dia ny hoe tokony hampiharina amin' inona io teny malagasy io eo amin'ny fiainanana ndavanandro fotsiny v ? sa eo amin' ny taranaja rehetra any ampianarana ? sa izay hita fa hahasoa ihany ny fitondrana mivoy azy ?

Posted by: ravatorano at 2008/10/21, 08:50
Comment Icon

tena tsara tokoa ilay blaoginao zandry an!
miady tsara ny loko sady manaitaitra e !
izaho aloha dia mahita ny soratra ary tsy mahatsapa hoe kely ilay izy kanou

Posted by: ravatorano at 2008/10/21, 08:53
Comment Icon ok

>>>ni81: Msôtra nanamarika :) sy amin'ny fankasitrahana e.

>>>ikalamako : efa tsy ao 'tsony ny soavaly 'ka hihihi. "may" moa no dikan'izany dotra ? hihihi

>>>ravatorano : rehefa hanandratra (ny teny malagasy) ihany ve tsy aleo atao ho amin'ny fara-tampony e. Izany hoe : atao izay ahafahana mampihatra azy eo amin'ny lafim-piainana rehetra [afa-tsy ny fianarana teny vahiny mazava ho azy :)]. Tanjona lavitra ezaka inefa izany (mety ho afaka 100 na 200 vao ho tratra), ary tsy mety ny mampihatra bontolo fotsiny. Ka raha ny fijeriko dia tokony hiainga tsikelikely ihany. Ohatra :
- any amin'ny birao (resa-taratasy sns., ny taratasy fangatahan'asa, sns.).
- any amin'ny haino aman-jery, Tokony ho rehefa malagasy ohatra no alaina am-bavany dia ny teny malagasy no ampiasaina.
- amin'ny resaka zava-kanto. Amin'io lafiny io moa dia efa betsaka ny ezaka (raha ny fahitàko azy satria betsaka ny hira amin'ny teny malagasy na dia gadona vahiny aza [klasika, jazz, sns], mihabe mpitia koa 'zao ny kabary, ny tononkalo, sy ny hainteny.
sns. tsy voatanisako.

Ny tiako marihina koa dia ny hoe : na dia ireo aza ireo fanandratana ny teny malagasy ireo dia tsy tokony ho tsinotsinoavina ny fianarana teny vahiny, "ny anglisy" indrindra indrindra : io no tenim-pirenena voalohany. (Ny teny "frantsay" manko tsy dia mitondra mankaiza loatra, fa firenem-bitsy ihany no mampiasa azy : dia i Lafrantsa sy ireo zanantaniny fahiny). Ny anglisy anefa dia ampiasaina n'aiza n'aiza.

Farany, izaho raha maneho hevitra toy izao, tsy sanatria akory mpitondra teny avy amin'ireo mpitondra nakehitriny :) (izay namerina indray ny fanagasiana) fa olon-tsotra mandefa eritreritra fotsiny. Ary tsy haiko loatra izay ho fomba fampiharana an'ity fanagasiana kasain-kaverina ity.

Hevitra ka sposaka e! Ary ahoana hoy 'nareo ? ;)

Posted by: Tokinao at 2008/10/21, 16:49
Comment Icon

Marina tokoa fa mivoatra ny teny. Nefa aleo mampihatra izay havoakan'ny akadémia mba hiraisan'ny besinimaro ny teny fa tsy samy hanao izay saim-patany dia lasa hiteny amin'ny teny tsy fantatra eny ny malagasy tsirairay. Hanapotika ny teny gasy izany ka hahatonga ilay notenenin'i Finoanaranoiray hoe ho fongana ny teny malagasy afaka 50 taona.

Posted by: Rasoa at 2008/10/23, 18:43
Comment Icon ok

Marina mihitsy ny anao Rasoa a! 'zany hono ry simp a! hihihi

Misaotra e

Posted by: Tokinao at 2008/10/26, 09:04
Comment Icon fanontaniana ho an'i Tokinao

Manao azafady fa androany zà vao nahita ity ary faly be fa kay tena tsara aok'izany le iz e!
Te-hanontany zà hoe, mety tena azoko atao ve ny mangataka partition anà hira anakiray fa tena nitady aho fa tsy nahita?

Posted by: krimgirl at 2008/11/05, 10:44
Comment Icon ok

Androany ve ianao vao nahita ny blaogiko ? tsssssssssssssssss. Grrrrrrrrr

Tsy hanome 'zany zah hihihihi.

Vazivazy iray an-dàlana hoy ny fitenenana e :)! fa izao : i pkm ilay manana partition solfa maromaro fa tsy 'zah 'ka. Jereo ilay lahatsorany "Fangatahana Solfa"

Posted by: Tokinao at 2008/11/05, 11:51
Comment Icon diykcihn

zomuyetw [URL=http://nabamynm.com]nreggqnb[/URL] obwbghbs http://mynpcsmr.com ekgmtnkz hgczwtoj

Posted by: diykcihn at 2010/08/25, 23:07
Comment Icon bnuumdrq

tocugvqw http://ouuxcogz.com czpouwxc bmptswct lykcnztg [URL=http://rswwankg.com]rftvdsxq[/URL]

Posted by: bnuumdrq at 2010/08/30, 15:49
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype