Tokinao

« CSS amin'ny teny gasy | Main | Hilentika kely Ra-Toky :-). »

CSS @ teny gasy II
2008/09/15,20:00

Noho ny fanontanian'i Kdaombaramita (tatsy) momba ny fanovàna ny templetany ao amin'ny blaoginy (izay tsy mitovy *.css amin'ny ahy sy ry news2dago), dia ireto indray no tokony hataony :

1-Jereo ny fisie *.css ampiasain'ilay blaogy. Izany hoe : Midira ao @ "pejy fototr'(page source) ilay blaoginao. Karokarohy etsy amin'ny "barre des menus" Arakaraky ny navigateranao (internet explorer, mozilla, opera, na netscape sns...) ny misy azy io. Raha Mozilla Firefox moa no ampiasainao dia toy ity ny toerana misy azy io :

Rehefa misokatra izany dia karohy ilay fisie *.css ampiasain'ny blaoginao. tsindrio ny Ctrl+F, ary soraty ny hoe .css  dia alefaso ny fikarohana. Ho hitanao ao moa ilay fisie .css ampiasain'ny blaoginao, ary koa ny toerana misy izany eto amin'ny aterineto. Raha ny blaogin'i Kdaombaramita no anaovana an'ireo dia hita fa ny "http://kdaombaramita.blaogy.com/templates/connections/style.css" no ampiasain'ny blaoginy :

2- Ataovy dika-petaka io adiresy io (http://kdaombaramita.blaogy.com/templates/connections/style.css) ary sokafy ao amin'ny navigateranao : toy ity.

3-  Karohy izay tampleta tianao hovainao ao. Marihina fa ny "templeta" iray dia manomboka amin'ny songasasaka (sharp, dièse, #), arahin'ny anaran'ny "id", ary ireo toetoetrany rehetra voafono anaty fonosam-be (accolade). Ohatra ireto :

 4-Ataovy ny fanovàna ny toetoetran'ny templeta (proprietés du template) izay tianao hovaina : raha tian'i Kdaombaramita hovaina ohatra 'zao ilay sary "ria-drano" ao amin'ny blaoginy dia mila soloiny ho adiresina sary hafa ilay "img/top.jpg" etsy ambony. Izany sary izany moa dia tokony hirefy 760px x 183px mba hampipoitra azy. Raha ity sary ity* 'zao no tiana hasolo izany dia ity ny kaody ampidirina ao amin'ny toerana "fanovàna css" -n'ny blaogy : 

#header {
background:#fff url
(http://blogsimages.skynet.be/images_v2/000/012/764/20060504/dyn006_original_760_183_gif_12764_800d786f0ac5399dc95359aa87b45b51.gif
) no-repeat bottom;
height: 183px;
margin: 0 auto;
width:760px;
padding:0;
border:#fc9 0px solid;
}

 Dia toy izany hatrany. Marihina fa tsy ny sary ihany no toetoetra afaka ovaina fa ny halehibe (dimensions), ny toerany (position), ny loko fanambaniny raha misy, ny toetoetran'ny soratra, raha misy soratra ao, ets.

 Dia izay ;). Tsy mora ny manazava an'ilay izy moa ny tenanay koa tsy dia hoe mahay be, ka dia mety tsy hazava. Ity resako ity moa dia natao ho an'ny olona tena mbola tsy mahay mihitsy a :). Aza iomehezana raha efa tsisy dikany aminao Smile. Tsy natao ho an'ny oebmestra akory hihihi

*:sary notsiponiko teto amin'ny aterineto io fa tsy ahy a Cool. Hitako ho mirefy 760px - 183px dia notsiponiko hihihi.

Hevitra

Comment Icon

Mila mahay mahay fandrindrana ve vao afaka manova an'io ry tokinao! ny tena mantsy tena tsy mahay an'ity resaka ity mihitsy! CSS sy ny php sy ny ajax sy ny sisa e!lol

Posted by: news2dago at 2008/09/16, 04:14
Comment Icon

Misaotra fa hanandrana aho rariva fa mila miasa kely aloha ny atoandro !

Fa ilay izy rehefa tiana hovana dia tsy maintsy miditra ilay :


- toerana fandrindrana,
- fanovana CSS
dia ao no ampidirina ny code vaovao raha azoko tsara ? Juste hijerena ny CSS ao anatin'ny blog-ko fontsiny ity code source nosokafana ity ? Ok !

Posted by: kdaombaramita at 2008/09/16, 08:13
Comment Icon ok

news2dago> tsy mila an'izany php sy ajajax zany ka :). (zavatra tsy haiko ireo teneninao ireo :) ).

kdaombaramita> : mila mampiditra solonanarana sy tenimiafina, ary manaraka an'io voalazanao io tokoa.

Posted by: Tokinao at 2008/09/19, 15:32
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype