Tokinao

« Veloma sy masìna daholo isika ô | Main | Voan-dàlana an-tsoratra »

Vaovaon'ny fandehandehanako
2007/08/04,08:25

Miarahaba antsika indray aloha. Nisinisy ihany izay tany hita tao anatin'ity volana jolay ity ka izay no mba vaovaoko androany. Tany Russie ( môsko, saint peterboro, vladivôstôka ), Japana aho. Ary aty Mkara ankehitriny. Raha asesiko ny fitantarana fohy an'ireo diako ireo dia toy izao :

  • ROSIA

tany midadasika be izy io satria mipàka hatrany eropa ka hatrany amin'ny pasifika ( i Vladivostoka moa dia tanana faran'ny atsinanan'i Rosia ka mifanakaiky amin'i Japana mihitsy ).

Voalohany dia hafa mihitsy ny tontolo any satria hafa ny teniny, syny fomba fanorany. . Koa rehefa eny an-dàlana dia sahirana amin'ny fitadiavana toerana na mpivarotra.

Raha mankatsy alemana mantsy ohatra dia mitovyamin'ny fampiasantsika ihany ny abidia ao.

Betsaka mozea sy toerana manantantara any satria nisy ny fanjakana rosiana izay natanjaka be fahiny. Ahitana olona maro fiaviana koa : eropena, ny avy ao "moyen orient", "extrême orient", aryireo tena teratany. Fa ny tsikaritro dia vitsy afrikana.

Zavatra nanamarika ahy koa dia ny fanavakavaham-bolon-koditra ao. Maro ny foko mifandrafy ao Rosia. Ary ilay foko atao hoe "kôkaziana" dia halan-dry zareo rehetra rehetra mihitsy. Tonga dia darohin-dry zareo rehefa hita eny an-dalana. Raha izaho manokana dia mbola tsy nahita toerana ka ahitana fanavakavaham-bolon-koditra toy izany, fa dia mampalahelo. Izaho aza moa tamin'ny tany dia noheverin-dry zareo ho kôkaziana dia tratran'ny daroka indray mandeha izay : teny an-dàlana izy io, ary harivariva mbola misy masoandro. Tonga dia daka sidina be izao no azoko avy ao amin'ny lamosiko : tsy misy antony hoe nahoana akory. Olona ampolony zareo no tao aorinako, ka dia lasa nitsoaka haingana aho, soa fa tsy alavitra ny hotely nipetrahako ary tsy naninona aho.

  • Tany Japana indray

 Amin'ny maha-tatsinana koa dia miavaka ny tontolo any. Vao maika tena hafa ny eny an-dàlana syny soratsoratra rehetra eny an-dàlana.Fa zareo kosa dia betsaka ny mahay teny anglisy. Fanampin'izany : fatra-panaja olona be ry zareo : asiany an'ilay miondrikondrika toy ny"saôlina mivavaka" iny foana rehefa raisiny ao amin'ny trano fisakafoanana iray ianao.

Mahatalanjona koa ny haavon'ny teknolojia, sy ny hamoran'ny zavatra elektronika. Kapoakany tokoa moa io katsy mahagaga. Na ry zareo namako eropeana aza moa dia nitondra fitaovana elektronika ho voandalana avokoa : ipod, finday,sns.

  •  Aty an-tanindrazana :

Vao tsy ela aho no tonga ka tsy dia mbola nahita tany firy. Ny efa tsikaritro anefa dia ity : tsy niova ny fahantran'ny gasy. Betsaka koa ireo ezaka fanatsarana tanàna noho ny fikarakarana ny lalaon'ny nosy. Marihiko moa fa 2 taona izay no tsy naha teto Mkara ahy.

Momba ny fari-piainana dia "lafo" : noheveriko ho afa-manao izay tiako ery aho amin'ny euro izay nentiko kay inona akory Wink. Ny frais bus : 300A na 1500f, ny lasantsy : 2000A na 10.000f/litatra. Ny frais tanà-diego : 350.000f ny olona iray mandroso fotsiny ( mikasa ny hamangy havana any mantsy e ). Tena mila hitovy amin'ny any an-dafy ny vidin'entana majinika aty, ny fidirambolan'ny olona anefa ambany dia ambany.

Na izany na tsy izany anefa dia mahatsiaro sambatra aho aty: hafa ihany ny Tanindrazantsika e : tsy mba misy fanavakavaham-bolon-koditra toa ny any amin'izay tany rehetra efa hitako. (ekeko fa misy ihany izy io, ary resahina matetika, nefa kosa maivana raha oharina amin'ny any eropa sy rosia. Ny fijeriko aza dia olom-bitsy mpanan-korontana ihany no matetika mpivoy azy io).

Aleo aloha ho izay ny androany fa misaotra anareo namaky. Ialàna tsiny fa tsy afa-nametraka sary satria ambany be ny "connexion" e.

Hevitra

Comment Icon

nihomehy indray aho t@ lay nitetika ho kala be any Dago fa euro ny any am-paosy.
Indrisy tokoa mantsy...
Fa ny mahakoditra ilay daroka be tsisy ultimatum tany Rosia. Efa malaza mpanavakavaka be zareo fa raha toa izany amiko, tsy nankany amin'ny fandrosoana zareo fa niha-sauvage k'ity !

Posted by: ikalamako at 2007/08/04, 16:36
Comment Icon tany rosia

Tsy nihomehy loza alou aho ry tokinao fa ny fomba fitantantaranao azy tena mampime :-D

Posted by: cutie at 2007/08/04, 22:26
Comment Icon Japan

Nanin aza za tsy nantsoina ho any Japan koa :-P

Posted by: cutie at 2007/08/04, 22:27
Comment Icon merci :)

Nampita vao2 :):-P

Posted by: cutie at 2007/08/04, 22:29
Comment Icon

efa nahazo ny iray tao amin ny fianakaviako io nisy nandaroka tampoka tany rosia io. tena grave be ny fanavakahanhandry zareo. Fa dia tena nandehandeha ianao an, zavatra mba tena tiako mihitsy io mahita tany io. MIsoatra nizara. Asio sary :)

Posted by: dailynews at 2007/08/05, 03:27
Comment Icon Misaotra ô

ikalamako : raha ny fijeriko dia tara 100taona raha oharina amin'i USA ny Rosiana raha ny fanavakavahana no resahina. 100taona mantsy izay no nisian'nyku klux klan tany USA e. raha ny fahalalahana maneho hevitra indray dia i Mkara mbola hitako ho lasa alavitra. Ilay KGB ao Rosia mantsy dia mitsikilo izay ataon'ny olona rehetra ary mandrara izay rehetra mifanohitra amin'ny fitondraàna.
cutie : tsara refa mampme e. Ndao ary ho any Japana ndray e hihihi. za aza ange mbola tsy tany amin-dry cutie akory e hihihi
dailynews : na izaho koa aza ange mba efa nahenoheno ihany t@ media eropenana e. Fa noheveriko ho lainga na "exageration" ilay izy. Ny media tandrefana mantsy haintsika ihany :). Kay tsy lainga fa tena izy.

Posted by: Tokinao at 2007/08/06, 07:08
Comment Icon Sola be

Sola be ianao izay dia noheveriny ho tena kokaziana. Salut aloha dia misaotra amin'ilay tsinahy iry e!

Posted by: jentilisa at 2007/08/06, 14:06
Comment Icon le tany rosia

tokinao
ka le filohan-dry zareo @ zao hono no tena raciste be mitsy koa.
Tsy aleo ve nankaty USA, tsy voadaroka teny an-dalana enao raha nankaty hihihihi.
De toi mankaty de za mankany Japan e :-P

Posted by: cutie at 2007/08/06, 17:07
Comment Icon Tonga soa
Arabaina tonga soa an-tanindrazana izany aloha e. Hafakely indray iny nanjo anareo tany rosia iny k'le. Ry zareo ko a aloha dia lasa malaza ratsy mihitsy @ ity racisme ity e. Fa angaha moa ry Tokinao samihafa be mihitsy @ kokaaziana ry zareo ao, fa angaha tsy samy fotsifotsy mitovitovy daholo e? Fa mampahatsiahy ahy t@ izaho vao nahita an'ireny annonce "du coeur" @ site amerikana ireny ilay hoe "caucasian", dia hoy aho t@ izany hoe ary betsaka mihitsy izany olona avy any Caucase mipetraka any etazonia zany k'le.:-)
Posted by: kwasi at 2007/08/06, 19:03
Comment Icon hehehe

cutie : anosiranao zany za ra azoko tsara an hihihi
jentilisa : tsinahy innn ary zany :). msôtra nametra-kafatra aloha e

Posted by: Tokinao at 2007/08/08, 11:21
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype