Tokinao

« sms tsy andoavam-bola azo alefa n'aiza n'aiza* ( resaka matotra* ) | Main | Vaovaon'ny fandehandehanako »

Veloma sy masìna daholo isika ô
2007/07/12,23:16

 

                    Zavatra maro no hamamarika ity volana jolay ity amiko.

Voalohany dia nifindra trano androany aho, ary tsy misy aterineto intsony ny tranoko. Ho vokany dia tsy ho afa-manao serasera sy blaogy matetika intsony izany.

Manaraka izany dia hanao fialantsasatra kely ivelan'i laFrantsa ka tsy ho hita tabilao eto amin'ny aterinet mihitsy atoato. Toa malahelo sahady anareo namana rehetra aho izany :(. Etsy andaniny dia ho any Madagasikarara kely koa moa aho, ka toa tsy andriko koa izay ahatongavako any hihihi. Tsy hita e :).

Pitsony iray farany : alaheloviko koa ny voninkazokeliko izay tsy maintsy halazo amin'izany fandehanako miala sasatra izany. maro ny eny an-tsena fa hafa ihany ilay efa nokarakaraiko hatrizay.

Eto koa dia ialàko tsiny isika satria raha ny nampanantenaiko tatsy ambadika dia tokony ho tatitry ny vaky boky nataoko tamin'ny 26jona no lahatsoratro manaraka. Mety tsy ho vitako anefa izany ka dia miala tsiny indrindra zareo a.

Hevitra

Comment Icon

dia bony voiazy e ! Tsara mandroso tsara miverina ! (Any Dago angamba i tokinao vao hamaky itony izany.)

Posted by: ikalamako at 2007/07/13, 12:46
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype