Tokinao

« fanomezan'endrika ireo hafatra | Main | fialàn-tsasatra desambra 2006 »

raharaha Saddam: mety ho loza ity finoana ity a!
2007/01/04,17:09

          Maty nahanton'ny tompon'andraikim-panjakana irakiana tamin'ny 30 desambra 2006 teo Andriamatoa Saddam Hussein, izay nofaritana ho "mpanao didy jadona" sy "mpitondra nahavita habibiana", rehefa avy nandalo fitsaràna. Marihina fa io andro namonoana azy io moa dia "fetin'ny ondry" ( jour des moutons ) ho an'ny silamo : izany hoe fahatsiarovana ny namonoan'i Abrahama ondry ho sorona atolotra ho an'i Allah : tantara voarakitra ao amin'ny Korano, sy baiboly izy io.

sarin'i Tompokolahy SaddamHiverina amin'i saddam isika : nahavono "silamo shiita" sy korda maro izy fahavelony, ary nanao ankasoparana maro koa tamin'ireo firenena maro manodidina azy : Kowety, sy Iran. "Silamo sonita" moa ny lehilahy. Ka izany maha-"sonita" hiringiriny azy izany, mazava ho azy, no nitarika azy hanao habibiana maro toy izany, fahavelony. Ireo karazana silamo roa ireo moa, ( ny shiita sy ny sonita no tiko tenenina ), dia vahoaka arabo nifandrafy hatrany hatrizay : nanomboka tamin'ny fotoana nanendrena izay ho solon'ny "Mpaminany Mahomed".

          Raha ny toetran'io lehilahy io izany no dinihana dia azo lazaina fa mety ahavitàna zava-dratsy tsy pesipesenina mihitsy ity fifandrafiana ara-pinoana ity. Soa ihany fa, ho antsika Malagasy dia haintsika ny miaina am-pilaminana tsara na dia samy manana ny finoany avy aza ny tsirairay. Asa ... izay tokoa angaha no vokatr'ilay fandalàna ny fihavanana ?!!!

Hevitra

Comment Icon Saddam Hussein

Tena mampalahelo mihitsy iny zava-niseho tany Irak iny,dia ny fanantonana an'i Saddam Hussein ho faty tsy @ androny iny.tsipahiko marindrano ny tanteraka ny fanapaha-kevitra satria @ maha-Kristiana ny tena moa dia tsy tokony hatao ireny n'inona n'inona mety ho fahadisoan'nny olona iray.
Ny famelan-keloka no tena zava-dehibe @ fiainana.Tadidio fa "fitsarana tsy misy famindram-po ho an-izay tsy mahay mamindra fo":Jakoba.
Izay fehezinao ety an-tany dia ho fehezina any an-danitra.Koa tsy aleo ve mba mifamela heloka e.
Mahereza ry mpamaky hajaina.Ny fahasoavan'i Tompo ho aminareo.

Posted by: Lova Sedera at 2007/01/05, 09:09
Comment Icon mitady hitovy!

Ary mitady hitovy amin'ny zavatra nosoratako tary tami'nny 30 desambra mihitsy ity eto ity an!

Posted by: jentilisa at 2007/01/05, 10:44
Comment Icon ho an'i sedera sy jentilisa

Sedera a! : marina mihitsy aloha ny teninao e! tsipahin'ny finoana kristianina ankitsirano tokoa io famonoana olona io.
jentilisa : ndraso fa hjereko tokoa izany fa mbola tsy hitako. Nandritra iny fety iny manko aho sahirankirana ka tsy nahavaky ny blaoginareo e, de izao vao manao "rattrapage" hihihi

Posted by: Tokinao at 2007/01/05, 12:48
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype