Tokinao

« Fisaorana | Main | fanomezan'endrika ireo hafatra »

Torkia sy ny U.E.
2006/12/16,17:37

            Isan’ny vaovao faheno sy fahita matetika amin’ny haino aman-jery ankehitriny ny momba ny fidiran’i Torkia ao @ U.E. (Fikambanam-be Eropeana ). Betsaka tokoa ny manalasala raha ny momba izany no resahina :
            Voalohany, raha ara-jeografika, dia eo anelanelan’I Azia sy Eropa izy. Ara-tantara moa dia tsy eropeana velively ny mponina ao Torkia : hatramin’ny taon-jato faha-15 dia ny fitondran’i “Contantin” no nisy tao, avy eo dia ny fanjakana Mongola ( royaume mongole ). Ny Fanjakana “Constantin” moa dia avy any Rosia, ary ny “Mongole” kosa dia avy any  Sina ( Chine ).
            Fanampin’izany dia silamo ny ankamaroan’ny torka ( turque ). Ry zareo eropeana kosa dia kristiana amin’ny ankapobeny, ary nanana kolo-tsaina nolovaina avy amin’ny grika sy Rômana. Izay no azo lazaina raha any ara-tantara, fiaviana, ary finoana no jerena.
            Eo amin’ny lafiny foto-kevitra indray kosa dia mampiavaka an’I Torkia ny fandraisan’Anjara lehiben’ny tafika eo amin’ny fitondrana. Ohatra voalohany, dia ny fandraisan’izany tafika izany anjara hatrany isaky  ny misy revolisiano, na fanonganam-panjakana. Ohatra faharoa, izay tsy adinon’ny eropeana sy ny mpanaraka tantara maro, dia ny fandarohan’ny tafika torka ny Armeniana tamin’ny taona 1915 . Araka ny hevitr’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny Fikambambe Eropeana moa dia tsy afaka raisina ho mpikambana I Torka raha tsy miaiky izany famonoan’olona nataony izany. Manampy izany dia tsy dia azoazon’ny eropeana maro ny tsy famelàn’i Torka an’i Sipra mba hahaleo tena.

            Isan’ny ahiahin’ny eropeana maro koa, raha toa ka ho raisina ho mpikambana i Torkia dia ity : noho ny fari-piainan-dry zareo mbola mareforefo, dia tsy haharaka mihitsy izay fanapahan-kevitra raisina ao @ Fikambanam-be Eropenana izy. Fanapahan-kevitra isan-tsokajiny no tiana tenenina eto : fanalalahana ny varotra, ady amin’ny fampiorohorona, fanarahana fenitra mba hahatsara laza ny vokatra eropeana, sns. Koa raha toa ka voaray ao anatin’ity fikambanam-be ity izany ry zareo dia ho betsaka ny mpifindra monuina torka no hameno ny Eropa. Ary hitombo ny salan’isan’ny tsy an’asa amin’ny firenena eropeana maro. Farany dia hanahirana ny eropena ny hiditra an-tsehatra amin’ny ady ao “Proche Orient” satria mety ho voakasika mivantana, na koa hanana ny tombotsoany manokana amin’izany i Torkia

            Na izany na tsy izany aza anefa dia misy lafiny itiavan’ny firenena eropeana maro ny fidiran’I Torkia ho ao amin’io Fikambanam-be io. Voalohany, dia hahatonga ny Fikambana-be ho tsy mialon-jafy ara-pinoana izany. Faharoa dia ilain’ny firenena eropeana ihany ireo tanora maro tsy an’asa ao Torkia.

                                   Ary mba manao ahoana I Madagasikara kely!
            Raha any fijeriko manokana dia tombony lehibe ho antsika ny tsy izaràna sisin-tany amina firenena hafa. Hitantsika amin’i Torkia fa maro ny olana mety aterak’izany. : ady, fahatongavan’ny karazam-poko samy hafa tanteraka. Ny vahoaka  Malagasy moa, raha tsahivina antsika, dia efa aman-jato taonany maro no niforona : dia avy amin’ny firaisan’ny  ireo vazimba tompon-tany, ary koa ireo mpiavy maro isan-karazany efa ho taon-jato maromaro izay.

Saritanin'i Eropa sy Torkia :

saritanin'i Torkia

          Fototra :

- gazety "le monde",

- "les dessous de la carte" : fandaharana mandeha ao amin'ny fahitalavitra "Arte",

- fikarohana eto amin'ny aterineto.

Hevitra

Comment Icon

Marina tokoa io satria dia toy io koa ny olana aty Azia @ Myanmar sy ny ASEAN.

Za aloha tsy mahalala lotra momba an'i Torkia fa vao resaka omaly tao am-piangonana io ka ny fantatro dia tena enjehina mafy ny kristiana any amin-dry zareo any.
Misy mitsikilo ny email sy ny antso an-tariby sns ka raha miresaka fivavahana dia gadraindry zareo na alefany mody....

Hiova be noho iznay koa ny fomba fiainandry zareo raha miditra UE satria tsy maintsy hisokatra. Misy fiantraikany @ fomba fiainana manko ny resaka fivavahana!

Posted by: kitjo at 2006/12/18, 03:13
Comment Icon hmmm

hmmm.. Hay ve ka ohatran'izany ny momba an'i Myanmar e! Raharaha sarotra tokoa aloha io resaka fikambanam-pirenena io e. i Madagasikara aza moa nisy fotoana nisitaka tsy ho ao amin'ny OUA ilay tamin'ny indray mandeha iry 'ko.

Posted by: Tokinao at 2006/12/18, 19:43
Comment Icon iekaa

iieeee...
ry zareo aza efa tao fa noesorina...dia nisy resa-be ka tsy haiko raha naverina nampidirina ihany

ny antony dia satria mbola fitondrana miaramila any amindry zareo, ary tena manao zay danin'ny kibony mihitsy ny mpanjaka ary ny firenena miha-mahantra hatrany sady tsy avelany misokatra @ aty ivelany mihitsy na ara-ekonomika na politika....

tsy azo tsabatsabahan'ny hafa mihitsy ny raharahan-tokantranondry zareo ka izay nahasosotra ny hafa!

Na ny vahoakany aza sosotra fa tsy afaka manao inona ka izay tafita dia lasa...rehefa miasa aty ivelany indray dia tsy maintsy approuvern'ny ambasadiny...eo dia hitandry zareo ny karama raisinao ka 20% dia tsy maintsy omena ny fanjakana Myanmar via ambasady isam-bolana ankoatra ny tax aloa @ firenena izay ipetrahanao...

izany rehetra izany no antony..

vao mainka nisy ilay mariazin'ny zanak'ilay mpanjaka farany teo iny..natao mariazy ny zanany vavy...15millions USD ny valeur an'ilay rojo teny @ tendany...

Ho an' izay tsy mahalala dia Birmanie angamba no fiteny azy @ teny frantsay satria Burma ny anaran'i Myanmar taloha!

Posted by: kitjo at 2006/12/19, 11:10
Comment Icon misaotra ry kitjo a!

ilay Myanmar tokoa aloha dia saika tsy haiko raha tsy nikaroka tao @ google za e! :)

Fa mba tena fanandevbozana koa izany hoe tsy maintsy mandoa 20% @ fanjakana izany a! tena misy raha marina la terra hoy ilay fahitalavitra iray izay. ;)

Posted by: Tokinao at 2006/12/19, 12:30
Comment Icon hehe

Zay mitsy no mahalaza azy..
ATy @ firenena aziatika aty no tena ahitana raha mihitsy ary pire nohon'ny any amintsika satria aty koa no misy ny firenena tena mahantra indrindra...ahitana ny karazany e!!!

Zay mahatonga anah miomehy nddray ao @ forum satria ny ankamaroan'ny Gasy mi-net dia ny any andrefana foana no hitany ka raha misy zavatra tsy mety ao Dago dia tena oh oe tsika no tena tttsssss...fa misy ny tena mbola pire...

eny na dia @ tany farak' izay mandroso toa an'i SIngapour aza...aty no ahitanao an' izany hoe olona antitra dol ny mpiasa mpangoro-bilia @ food court, ...ny antitra no tena mahantra sy miasa mafy aty satria tsy misy securite sociale aty ka rehefa tsy nanagona fony fahatanoranao ianao d bye bye rehefa antitra....

Misy raha latera...fa saingy izay no tena mampandroso andry zareo aty..io mitsy no "key" @fandrosoany fa saingy tsy zakan'ny gasy zay sendra mandalo aty le zava-misy ary tsy azony ilay politika!!!!

Posted by: kitjo at 2006/12/19, 14:40
Comment Icon :-)

Marina mihitsy ny an'i kitjo : betsaka @ gasy, na ao Mkara na aty eropa, no mieritreritra fa dia faran'izay mahantra isika. Soa fa misy anareo mpahita tany e! Ny efa reko koa dia hoe : ao amerika atsimo ao koa hono dia tena be firenena mahantra maro, ary mahantra lavitra hono raha oharina @ Mkara. Malagasy moa, mazava ho azy, no nanao ilay fampitahana.

Momba ilay fomba mampanankarena ny firenena aziatika maro moa dia misy ifandraisany @ maha sôsialista azy koa angamba io. Betsaka ihany mantsy izay fandaharana henoko momba ny fahantran'ny sinoa izay, nefa ny fanjakan-dry zareo dia manam-bola be, ary mikendry ny ho 1ère puissance mondiale hono atsy ho atsy.

Posted by: Tokinao at 2006/12/19, 17:47
Comment Icon

Izay tokoa!
Aty izany ange ry tokinao raha mijery an'i Cambodge izany ianao, Laos, faritra atsimon'i Thailande, Chine, Bombay sy Kandla(Inde), Vietnam atsimo,Aceh(Indonesie)...
Raha mijery an'ireny dia tena mahantra lavitra ary tsy azon'ny saina eritreretina mihitsy...lavitra be nohon'ny any dago ny "gap' na elanelana misy eo @ mpanefoefo sy ny zara raha mihinan-kanina raha tsy hampitovy fts isika ireo indiana mahantra sy ireo star Bollywood..@film Tamil ireny dia tena hita mihitsy ilay izy...

raha ny lanjam-bola fts aza
1SGD(sing $)=1400ariary
1SGD= 16000 vola vietnamiana
1SGD= maherin'ny 20000 fa tsy tadidiko @ vola indoneziana....

Posted by: kitjo at 2006/12/19, 18:34
Comment Icon iny no tsy nampoiziko 'kano :-)

Tena iny indray no tsy nampoiziko ry kitjo 'kano. Zah manko nihevitra fa dia ny vola gasy no isan'ny ambany lanja indrindra. Hay 'kay mbola misy an'ireo a! Misaotra amin'ny tarehi-marika e. Raha ny ao Afrika, izay efa hitako manko, dia ambony sanda noho ny ariary daholo ny volan-dry zareo.

Posted by: Tokinao at 2006/12/19, 19:14
Comment Icon non non!

an3....diso ianao!
andraso ange hohamariniko tsara ny tena tarehimarika marina eee...

dia ampitahaintsika fa za koa aza dia zendana!

Posted by: kitjo at 2006/12/19, 19:51
Comment Icon confrontation de PV...hahaha

mmhhh..tapaka tampoka connexion-ko nefa efa voasoratro dol izy teo

Inty ny source an!
Atombotsika @ ambony indrindra dia mijotso midina

-Singapour: 1 EUR = 2.03482 SGD
- Malaysia: 1 EUR = 4.7174
MYR
- Hong Kong: 1 EUR = 10.2573 HKD
- Chine: 1 EUR = 10.3135 CNY
- Taiwan: 1 EUR = 43.0337 TWD
- Thailande: 1 EUR = 47.3465 THB
- japon: 1 EUR = 155.668 JPY

-Mongolie: 1 EUR = 1535.43 MNT
- [b]Madagascar: 1 EUR = 2723.53 MGA[/b]
- Cambodia: 1 EUR = 5309.25 KHR
-Indonesia: 1 EUR = 12057.5 IDR
- laos: 1 EUR = 12719.2 LAK
- Vietnam: 1 EUR = 21179.5 VND (fois 2 zany raha SGD, mbola pire nohon'ny voalazako tetsy ambony)

Eto Azia ireo fa tsy jerena ny any Amerika atsimo...sy Eoropa atsinanana

Posted by: kitjo at 2006/12/19, 20:31
Comment Icon hay mba tsy mitsanga-menatra be loatra kay i Mkara kely 'ko. Mba sahy manao kaonfiraontasiao tsika. hihihi

Tena misaotra fa mahaliana ahy mihitsy ireo tarehi-marika ireo.

Posted by: Tokinao at 2006/12/19, 21:23
Comment Icon mbola handroso k!

iiieee..
mbola tsy ao daholo aza..

ENy e, na izany ary akory tsy hoe mahafaly satria mbola mandresy ny hafa fa hafa kosa ny hoe mba mbola tsy mitsanga-menatra araka ny teneninao ilay izy...

Mba misy concurrence hafa koa izany ka ohatra hoe afaka 3taona averintsika indray io confrontation io hoe nanakory.
Matetika manko dia ny tany Afrikana foana no ampitahana an' Madagasikara!

Posted by: kitjo at 2006/12/20, 04:39
Comment Icon source

ary tsy nisoratra tetsy akory..
inty ilay source nakako azy
http://www.gocurrency.com

Posted by: kitjo at 2006/12/20, 17:59
Comment Icon Msôtra ô

Mankasitraka kitjo a! :)

Posted by: Tokinao at 2006/12/20, 22:54
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype