Tokinao

« Ny tia resy | Main | Torkia sy ny U.E. »

Fisaorana
2006/12/03,16:45

Fisaorana

Sitraka leiretsy,
telina leiretsy,
mamy leiretsy,
lehibe ka tsy azo atelina ianareo!
mamy ny tantely fa misy faikany,
mamy ny sira fa mitarehim-bato,
mamy ny fary fa toa hazo,
fa ny soa nataonareo,
no tsy ara-javatra!
Izany no rano androana mahafa-tseroka,
menaka ihosorana mahamandimandina,
lamba itafina mahafa-kenatra!
...

notsongaina tao @ "firaketana" ary nangonin'i François RAKOTONAIVO

Hevitra

Comment Icon

Mankasitraka hatrany Tokinao an.

Posted by: soanja at 2006/12/04, 02:19
Comment Icon ianao no isaorako satria namaky รด

.

Posted by: Tokinao at 2006/12/04, 13:34
Comment Icon

tsara tarehy ny teny malagasy ... misaotra betsaka!

Posted by: rabelazao at 2007/01/07, 11:32
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype