Tokinao

Fitsidihana valan'ondry
2007/05/04,20:37

 

        Ela izay tsy nahitana ambanivohitra malagasy izay ka dia mba tapa-kevitra aho hitsidika an'ireo tantsaha akaikin'ny tanàna ipetrahako. Toerana fiompiana ondry no nofidiako tamin'izany : ondry natao halain-taviny. Tsy dia misy ho resahina fa dia ankafizo ny sary e :

        Fombako, amin'ny maha-injeniera ny tenako angamba, rehefa mamangy toeram-piompiana na fambolena toy itony ny mandinika ireo teknika ampiasain'ny olona. Ity fomba fanomezana sakafo ity izao dia ahafahana mitsitsy ny ahitra, ary koa tsy mampiondrika loatra ny ondry rehefa hihinana azy :

        Ity indray dia ahafahana manome sakafo ny ondrikely :

        Farany dia tsy nanaiky moa ny tenanay raha tsy nitrotro ondro iray :

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype