Tokinao

Tsy tsipolitra
2006/06/15,14:51

Tsy tsipolitra ery an-tany ngazana,
ka hihatsampy amin’ny olo-mandalo,
tsy maniry fanambatambazana,
fa fitiavana tsy atakalo


 ‘Zany elatra no ento mikopaka,
làlan-kafa no ‘ndeha mba hizory,
fa ny aty tsy mba taitra koropaka
toa voahirana anaty kamory


Tsy hiraraka mantsy ny kintana,
na (dia)* ho reraka foana (aza)* ny maso,
ny anjara voatendrin’ny vintana,
( tsy handositra anao fa andraso ) x2

Mombamomba io hainteny io

Fototra :  Ity hainteny ity dia nohirain’i Bodo, amina ngadon-kira ( rythme  ) « kalon’ny fahiny ». Ny tena nanoratra azy kosa dia nokarohiko ihany fa tsy hitako. Koa raha mba fantatrao mpitsidika dia dia isaorana mialoha ianao milaza izany ao amin’ny fametrahan-kafatra.

Ny zavatra resahina ao : mirakitra ny fandàvan’ny vehivavy iray ny fitoriam-pitiavana nataona lehilahy iray izy ity. Ary tahaka ny hainteny rehetra dia ahitàna sarin-teny maro ao. Ary izany indrindra no mahatonga azy haha-te hihaino. Ireo fanoharana maro ireo dia nalaina avokoa avy amin’ny zava-boahary : tsipolitra, elatra, voahirana, kamory, kintana, …
( na )*… (dia)* : rehefa hirain’I Bodo io hira io dia tsy ahitana ireo teny ireo. Napetrakoa anefa ireo mba hampazava kokoa ny tian’ilay hainteny tenenina.

 

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype