Tokinao

« Ny tsara no tahafo | Main | hiram-pirenena malagasy »

Tsy tsipolitra
2006/06/15,14:51

Tsy tsipolitra ery an-tany ngazana,
ka hihatsampy amin’ny olo-mandalo,
tsy maniry fanambatambazana,
fa fitiavana tsy atakalo


 ‘Zany elatra no ento mikopaka,
làlan-kafa no ‘ndeha mba hizory,
fa ny aty tsy mba taitra koropaka
toa voahirana anaty kamory


Tsy hiraraka mantsy ny kintana,
na (dia)* ho reraka foana (aza)* ny maso,
ny anjara voatendrin’ny vintana,
( tsy handositra anao fa andraso ) x2

Mombamomba io hainteny io

Fototra :  Ity hainteny ity dia nohirain’i Bodo, amina ngadon-kira ( rythme  ) « kalon’ny fahiny ». Ny tena nanoratra azy kosa dia nokarohiko ihany fa tsy hitako. Koa raha mba fantatrao mpitsidika dia dia isaorana mialoha ianao milaza izany ao amin’ny fametrahan-kafatra.

Ny zavatra resahina ao : mirakitra ny fandàvan’ny vehivavy iray ny fitoriam-pitiavana nataona lehilahy iray izy ity. Ary tahaka ny hainteny rehetra dia ahitàna sarin-teny maro ao. Ary izany indrindra no mahatonga azy haha-te hihaino. Ireo fanoharana maro ireo dia nalaina avokoa avy amin’ny zava-boahary : tsipolitra, elatra, voahirana, kamory, kintana, …
( na )*… (dia)* : rehefa hirain’I Bodo io hira io dia tsy ahitana ireo teny ireo. Napetrakoa anefa ireo mba hampazava kokoa ny tian’ilay hainteny tenenina.

 

Hevitra

Comment Icon mahafinaritra

Zao za vo namaky hainteny zany fa misaotra an'i tokinao :)

Posted by: cutie at 2006/08/10, 10:12
Comment Icon marina oe!

ka aƓna ny fijerin'i cutie an'le izy ?
sarotra, sa miolankolana loatra, sa tsy tsara noho ny tononkalo ?

Posted by: Tokinao at 2006/08/10, 10:41
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype