Tokinao

« Pétez juste 1x | Main | Fitia voatavo »

Inona 'zany hainteny ?
2006/06/12,07:49

Ho hitantsika ato :

  1. ny famaritana  izany atao hoe "hainteny" izany, ny mampiavaka azy amin'ny tononkalo sy ny ankamantatra ary kabary.
  2. ny zavatra resahiny,
  3. ny tantarany ary,
  4. ny antom-pisian'ny hainteny ato.

 Famaritana : 

        Ny hainteny dia endrika literatiora mampiavaka antsika Malagasy. Mampiasa ”sarin-teny” matetika izy io, sahala amin’ny ”ankamantatra”, ary manana andàlana (lignes) sy andininy (paragraphes)  maromaro toy ny tononkalo. Ny mampiavaka azy amin’ny tononkalo anefa dia ireto :

- tsy voatery hiady rima ny hainteny,
- tsy voatery hitovy koa ny vaninteny isan’andàlana, ary
- tsy ny isan’ny andàlana ao anatin’ny andininy tsirairay.
Manakaiky ny kabary koa anefa ny hain-teny satria feno ohabolana, sy fomba fiteny maro, ary mety hisy fifamalian’olona maro ( dialogues, ... )

Zavatra resahiny :

        Resa-pitiavana no raketin'ny hainteny maro. Ankoatra io anefa dia miresaka zavatra hafa eo amin’ny fiainana an-davanandro koa ny hainteny : ny fiainana, ny fananarana, ny fahafatesana, ny namana, ny fianakaviana, ny tanindrazana, sns..

Ara-tantara :

        Ny fotoana tena nampalaza ny hainteny dia tamin’ny vanim-potoana ”embona sy hanina” ( voalohandohan’ny taon-jato 1900 ). Izany hoe tao anatin’ny fotoana nampijalian’ireo mpanjanaka  ny mpitolona malagasy. Rehefa natao sesin-tany ( exil ) tany ampitan-dranomasina manko ireo mpitolona ireo dia tsy nanan-katao firy loatra afa-tsy ny hanoratra. Koa nasehony indrindra tamin’izany asa sorany izany ny embona, ny alahelo, ary ny hanina* an’ireo zavatra niraiketany fahiny : ny olon-tiany, ny fianakaviany ary i Madagasikara. Io no antony lehibe mahatonga ny hainteny hiresaka fitiavana matetika.
Hanina* : teny malagasy fampiasa fahiny izy ity. Io no fototeny nahatonga ny hoe “manina”, na koa “manimanina”. Koa ny ”olona manana hanina” izany, dia ny ”olona manimanina

Antom-pisian’ny hainteny eto amin’ny blaogy Tokinao :

        Voalohany, ny tenako izay miseho amin’ity solon’anarana Tokinao ity dia tsy ao an-tanindrazana fa aty am-pita. Tsapako tokoa aty fa vitsy ( mba tsy hilazàna hoe tsy misy ) mpahala ny zava-kanto, na koa ny literatiora malagasy. Ireo zavatra roa ireo anefa rehefa dinihana dia hitako ho tsy latsa-danja na koa ho mena-mitahy amin’ny an-dry zareo aty ivelany. Mifono fomba fisainana ambony tokoa amiko ny literatiora malagasy, ohatra amin’izany :
-  ny maha-zava-dehibe ny fihavanana raha oharina amin’ny zavatra maro ( aleo hono very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-bola, ary aleo koa hono halam-andriana toy izay halan’bahoaka, sns)
-  ny maha-zava-dehibe ny fananam-panahy ( Ny fanahy mantsy no maha-olona,...)
-  ny fahatahorana an’Andriamanitra, ny tody, ary ny tsiny ( Aza ny lohasahy mangina hono mantsy no jerena fa andriamanitra ao antampon’ny loha, sns.

        Ekeko fa mety ho vato misakana amin’ny fandrosoana ny fanarahana ambokony an’ireo fomba fisainana ireo. Nefa kosa, ataoko fa tsy iadian’kevitra ny voka-tsoany marobe eo amin’ny fiaraha-monina : na eo filaminana izany, na eo fifanajana, sns…. Koa io no amin’ilay hoe : “Ataovy voankazo an’ala e, ny mamy atelemo, ny mangidy aloavo”.
        Farany, Tsy misy olona tapi-pahalalàna hoy ny fitenenana, ary ny fiainana dia fianarana hatrany. Koa raha misy fanakianana na fanontaniana tianao apetraka momba ny teny sarotra ao amin’ny hainteny, dia vonona isika ( ny mpitsidika hafa sy i Tokinao ) hamaly izany. Ny isan’ny tanjona moa dia ny fianarana ny teny Malagasy, indrindra fa ireo izay efa mitady ho very.

Hevitra

Comment Icon misaotra e

merci ry tokinoa fa tsy nahalala an'io hainteny io mitsy za hatramizay

Posted by: cutie at 2006/08/10, 10:23
Comment Icon enao no isaorana

i cutie no isaorana noho ny fitsidihana e! :)

Posted by: Tokinao at 2006/08/10, 10:47
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype