Tokinao

« ski ( mg ) | Main | Pétez juste 1x »

resak'etotr
2006/06/03,12:13

1 - Lahatsoratra iray hitako tao amina "forum" iray ity resahiko anareo ity : Ny lohahevitr'ilay forum moa dia ny hoe : fahadisoana ve ny mangetotra ? Koa nisy mpandray anjara iray nitantara ity zavatra mampiomehy ity :

 

" Za zany ry reto nivory niaraka tamin'ny lehibenay, tena efa mitady lalana ilay rivotra fa tazomiiko fotsiny ( ilay hetotra io ), efa tsy andriko izay hahavitan'ilay fivoriana, ny resaka mandeha efa tsy miditra amin'ny lohako intsony, efa eo ambavany eo ilay izy no kendaiko dia miverina indray fa ny loza rehefa miverina iny ilay izy dia maneno mafy be ny kibo, mijerijery ahy daholo ny olona eo akaikiko eo,
Tampoka teo, nanontanian'ilay chef-ko aho, za nefa tena tsy à la page amin'ilay fivoriana intsony, rahoviana ilay AG hoy izy, taitra tampoka aho, tonga dia bouik hoy ilay izy, nijery ahy daholo ny olona sady niomehy, loza fa tapatsinay koa aho niomehy teo, inona hoy nareo isaky ny miomehy aho dia manao kik kik kik kik koa lay etotra, ary tsy nety tapitra mihintsy fa manaraka ilay fiomehezako, tsy vita intsony fa tonga dia nivoaka aho, hatreny ambaravarana mbola bouik boik hoy lay etotra, tsy niverina tao amin'ny salle de réunion tsony aho fa menatra, fa tena tsy fanahy iniako ah, nandritra ny herinandro tsy te hifanena amin'ilay chef aho "

hahahaha

Raha te-hametraka fanamarihana na tantara mampiomehy koa ianao dia azonao  apetraka ho eto ambany izany.

Hevitra

Comment Icon Adikao

mba adikao @ teny frantsay anie ity e :
"Raha todihana ny lasa, dia misy fizaràna roa lehibe "

valiny :

"Quand on regarde les derrières, il y deux grandes parties"

Posted by: Akanga at 2006/06/09, 15:15
Comment Icon slt

slt ! tena mampiomehy be le iz fa misote

Posted by: anita at 2006/06/12, 07:25
Comment Icon sitraka mada

slt ra Toky !! ito lay adiresy mail ko rtovo82@yahoo.fr za lay cousin sitraka eto paris manorata é!!
okay!!

Posted by: tovo at 2006/08/11, 03:58
Comment Icon Voaray io

Voaraiko io fa anoratako ianao refavy eo. de msôtsa mametra-kafatra

Posted by: Tokinao at 2006/08/11, 05:48
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype